airtel

Politique

26-nov-2024

Mila mangaraharaha ilay resaka « ordonnance »

Ahiana ny fampiasana mpikaraman’ady ara-pifidianana…

Sample post image

Ny lisitra nofaranana tamin’ny 15 mey nampiasaina tamin’ny fifidianana solombavambahoaka

26-nov-2024

no manan-kery sy ampiasaina amin’ny fifididianana ben’ny tanàna hatao ny 11 desambra izao. Nanentana ny olona mbola tsy naka izany eny amin’ny fokontany ny CENI tao anatin’ny serasera sy fampitam-baovao nataon’ny Talen’ny Fitantanana ny rafitra informatika ao aminy Atoa Ranaivomandimby Alberto omaly. Ho an’ireo ao anatin’ny lisitra nofaranana tamin’ny 15 mey, fa ho an’ireo izay nangataka « ordonannance » mba hisoratana anaty lisitry ny mpifidy kosa dia nambara fa homena kara-pifidianana, havoaka miaraka amin’ny lisitra eny anivon’ny distrika tsirairay ny kara-pifidianan’ireo, ary hozarain’ny rantsa-mangaikan’ny CENI eny anivon’ny Distrika. Nanentana anefa ny CENI mba tsy hiandrasan’ny olona ny fizarana izany isan-tokantrano fa mba hanontany ny fokontany mialohan’ny 30 novambra hoe : efa vita ve ny karatray ? Isan’ny toe-javatra mampanahy amin’ny fifidianana ho avy ity resaka « ordonnance » ity izay ahiana hisy hampiasa amin’ny teti-dratsy ara-pifidianana hanabontsinana lisitra sy hampiasana mpikaram’ady ara-pifidianana na « mercenaires des votes ». Marina fa voalazan’ny andininy faha-42 amin’ny lalàm-pifidianana fa firifiry moa ireo lalàna mikasika ny fifidianana no tsy voahaja ? Hivoaka mangarahara ve ny mikasika io hampidirana mpifidy vaovao io sao sanatria hisy fanabontsinana avo lenta ho ana tombotsoan’antoko na vondron’olona ? Mitovy ve ny herijikan’ny sy ny fahafahan’ny olom-pirenena ? Aiza ho aiza ny tohin’ny fangatahan’ireo kandida ny lisi-pifidianana izay tafiditra anatin’ny lalàna sy fenitra iraisam-pirenena ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap