airtel

Politique

03-avril-2023

Politique

Milaza fa kasaina hovonoina i Brunelle Minisitra 2 sy jeneraly vitsivitsy no niketrika ny teti-dratsy ?

Sample post image

Nilaza ny depioten’Ikongo Brunelle Razafitsiandraofa fa tamin’ny 27 martsa 2023 dia nisy fivoriana, natrehina minisitra 2,

03-avril-2023

jeneraly ao amin’ny zandary vitsivitsy, tompon’andraikitra ambony vitsivitsy, ka ny zavatra nivoriana tao dia hovonoina amin’ny fomba rehetra I Brunelle, raha ny nambarany. Nanambara ny hametraka taratasy amin’ny Raiamandreny sy vahoaka sao sanatria tanteraka izany. Nolazainy fa ilay jeneraly namoaka vava no nilaza fa hitondra ny “opération”. “Mankahala ary tsy tia olo-marina ireo olona ireo, fa izaho kosa dia miteny fa mitady olo-marina ity tany ity. Miteny aho, fa ny sarinareo ananako, ny olona niara-nivory taminareo ihany no nampahafantatra azy. Na ny resaka nataonareo na ny teny nataonao jeneraly hoe: saboteo ny fiarany, hamonoy olona dia ampidiro ao dia henoko aty daholo. Fantatro ianareo minisitra tao, ary efa aty ny sarinareo”. Lazaina fa hoe: mila vitaina ny amin’iny fa manakorontan-javatra, manimba fihinana, ka miala tsiny fa hanompo tanindrazana no ataoko eto, fa tsy hameno ny kibonareo ngezabe io, hoy ity depiote ity. Hatramin’ny zanako hoy izy resahina ny momba azy, kendrena hovonoina aho, fa tsy mampihemotra ahy izany. “Fanonolahy aza kitikitihina fa arakaraka ny hikitikitihinareo no mampirongatra”, hoy I Brunelle Razafitsiandraofa. Tsara moa ny manamarika, fa ankoatra ny maha depiote azy, dia manamboninahitra ambony eo anivon’ny polisim-pirenena ity farany. Hatry ny ela no efa ratsiratsy fifandraisana tamin’ny fitondrana sasany ny Depiote Brunelle noho ny fahasahiany mamky bantsilana ny zavatra tsy mety amin’ny fitantanana ny firenena, indrindra fa ny tsy firaharahiana ny distrika nahalany azy. Maro tamin’ny olon’ny fanjakana ankehitriny no tsy faly taminy, ary vao mainka toa manamafy izany ny fahitana an’ity depiote ity ho akaiky ny depioten’I Toliara I dia I Siteny Randrianasoloniaiko, izay heverina fa ho kandida Filoham-pirenena. Ireny kabariny tany Ikongo ny faran’ny herinandro teo ireny, dia heverina fa manamafy fa tapaka tanteraka ny tady eo aminy sy ny fitondrana Rajoelina. Andrasana anefa izany izany aza iza mety ho tohiny sy ny fivoarany satria politika avo lenta ny resaka, ary tsy tongatonga ho azy io sary politika miseho io. Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap