airtel

Politique

07-juil-2022

Politique

Minisiteran’ny angovo Nanatitra fanambaram-pananana ireo tale

Sample post image

Tonga nanatitra ny fanambaram-pananany teny amin'ny foiben'ny BIANCO etsy Ambohibao omaly ireo tale isan-tsokajiny eo anivon'ny minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo sy ireo Rantsa-mangaikany.

07-juil-2022

Porofo izany fa miasa anaty mangarahara tanteraka ny eto anivon'ny minisitera ary maneho finiavana hanao ny asany am-pahamarinana ireo mpitantana rehetra, hoy ny sekretera jeneralin'ny minisitera, Razanajatovo Lauriane. Enga anie, hoy izy, mba ho filamatra ho an'ny minisitera rehetra izao fihetsika ataonay izao, nandritry ny fanolorany amin'ny fomba ofisialy ireo antotan-taratasy tamin'ny talé jeneralin'ny BIANCO, Andrianirina Laza Eric Donat. Tsara ampahafantarina antsika ihany koa fa ny minisitera dia manana rafitra manokana misahana ny ady amin'ny kolikoly na ny "ULC", hoy hatrany ny fampahafantarana natao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap