airtel

Politique

09-mars-2023

Politique

Minisitra hanazava vina isan-kerinandro Fampanantenana vaovao tsy tanteraka indray

Sample post image

Maro ireo fampanantenan’ny filoham-pirenena ankehitriny tsy tanteraka izay efa zary mankaleo na ny mitanisa azy aza ankehitriny.

09-mars-2023

Isan’ireny ny Fly over, Tanamasoandro, Miami sy ny tariny rehetra, izay sokajiana hoe tetikasa goavana eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa izay. Eo amin’ny lafiny serasera sy azo lazaina hoe demokrasia mihitsy koa aza anefa dia misy izay fampanantenana tsy tanteraka izay. Mampametra-panontaniana hoe ilana volabe ve ny manatanteraka azy ireny na tetibola manokana no fampanantenana tahaka izany avy dia tsy vita ny manatanteraka azy ? Nilaza ny filoham-pirenena tamin’ireny fotoana ireny fa hitafa amin’ny mpanao gazety isam-bolana ary hifandimbindimby hanontany azy eo ny mpanao gazety avy amina haino aman-jery rehetra tsy anavahana na inona na inona zotran-dahatsorany. Tsy tanteraka anefa izany hatramin’izao. Io fa fampanantenana vaovao tsy tanteraka hafa indray hatramin’izao koa izany izao ilay hoe minisitra hifandimby hiakatra isan-kerinandro ao amin’ny fahitalavim-pirenena hanazava ny vinany avy.
Légende : Ireo minisitra 8 vaovao niditra ao amin’ny governemanta
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap