airtel

Politique

06-déc-2021

Politique

Minisitra Patrick Rajoelina Tena mianatra ve sa mba manal’azy ?

Sample post image

Niteny frantsay ny Minisitry ny raharaham-bahiny Atoa Patrick Rajoelina nandritra ny fihaonana mivantana na “face à face” tamin'ny depiote,

06-déc-2021

izay nahazoany kiana mafy dia mafy satria vahoaka Malagasy no hanaovana tatitra, siangy indrisy fa tsy mahay miteny Malagasy ilay minisitra. Tsara anefa ny manamarika, fa ny teny frantsay dia tafiditra anatin’ny teny ofisialy ampisaina eto araka ny Lalampanorenana Malagasy. Na izany aza, firy isan-jaton’ny Malagasy moa no mahay sy mahafehy ary mahazo izany teny Frantsay izany. Tsy vao izao no nijoboka ity minisitra ity satria nandritra ny diany tatsy La Réunion ny volana novambra teo, dia tao anatin’ny fanaovana hiram-pirenena mihitsy no nisy toe-javatra mamehehitra niseho. Raha toa ka ny hiram-pirenena malagasy "Ry Tanindrazanay malala" no tokony nohiraina teo amin'ny fanombohana ny fihaonan'ny minisitry ny raharaham-bahiny Malagasy Patrick Rajoelina tamin'ireo diaspora malagasy monina ao La Réunion dia nifamadika tamin'ny Hira faneva fampiasan’izay mpanohitra eto amin’ny firenena, dia ny hiram-pitolomana: "Madagasikara Tanindrazanay" no noventesina, izay endrika fanimbazimbana ny hiram-pirenena. Ny nahagaga ny rehetra, dia nitohy nihira ihany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy na dia teo aza izany fahadisoana izany, izay toa naneho fa mody misoka-bava fotsiny ny minisitra, fa tsy hainy ny hira. Ny sabotsy teo, naneho an-tsary ny Minisitra Patrick Rajoelina, fa namaky ny boky fianarana ny teny Malagasy “Lala sy Noro”. Tena finiavana hianatra sa serasera tiana hatao. Mandra-pahoviana izany ity minisitra ity no hahay sy hahafehy ny teny Malagasy ka afaka ny hifanerasera amin’ny vahoaka tsy an-kanavaka? Fianarana tokoa ny fiainana, ka tsy atao mahamenatra ny mianatra sy mandalina.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap