Na ny CENI aza tsy tena mamaly an’io, fa mifantoka kokoa any amin’ny resaka fanavaozana ny lisi-pifidianana. “Ny tena omanintsika amin’izao fotoana izao dia ny fifidianana Filoham-pirenena satria iny no akaiky”, hoy kosa ny Minisitry ny atitany Atoa Tokely Justin omaly raha nanontanian’ny mpanao gazety momba fifidianana tena omanina amin’izao, indrindra fa amin’ny lafiny ara-bola satria efa nolaniana ny volavolan-dalàna niaingana momba ny tetibolam-panjakana na LFI 2023. Voafaritra ao anatin’izany moa fa 45 miliara Ar ny vola haompana amin’ny fifidianana. Raha nanontaniana eo anatrehan’ny sakantsakana samihafa izay matetika voatonona ireo solontenam-panjakana tahaka ny Prefet izay eo ambany fiadidian’ny Minisiteran’ny atitany kosa dia nilaza ity minisitra ity fa malalaka ny rehetra, ny fanajana lalàna no zava-dehibe, ny famoriam-bahoaka sy ny tariny dia misy ny ordonnance 60-082 izay mamariparitra an’izay, ka rehefa manaja lalàna dia tokony ho afaka manao izany avokoa ny antoko politika, hoy ny Minisitry ny atitany Tokely Justin. Ny zavatra hita saika manerana ny Nosy anefa, rarana sy sakanana na hetraketrahana hatrany ny antoko politika, toy ny tany Morondava satria efa nahazo fahazoan-dàlana ny TIM saika nofoanana indray rehefa fantatra fa tonga I Marc Ravalomanana. Ny mpandrindra nasionalin’ny Antoko HVM ihany koa nanamafy omaly, fa rehefa manao zavatra ny mpanohitra dia sakanana kanefa ny lalàna no mamaritra ny adidin’ny antoko politika amin’ny adidy amin’ny maha olom-pirenena sy ny fanomezana aina ny fiainana politika. Ny mpanohana fitondrana kosa afaka manao izay tiany: milahatra eny an-dalambe, mampiasa fitaovam-panjakana,… Tena mitovy ve ny rehetra eo anatrehan’ny lalàna ?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby