airtel

Politique

17-janv-2024

Minisitry ny fambolena sy fiompiana

"Atao laharampahamehana ny fambolena vary"

Sample post image

Na teo aza ny ezaka maro vita dia mbola misedra olana maro ny sehatry ny famokarana

17-janv-2024

eto amintsika hoy Ministry Fambolena sy ny Fiompiana vaovao, Suzelin RATOHIARIJAONA RAKOTOARISOLO. Mitaky fametrahana paikady vaovao ary fanafainganana ny fanohizana sy fanatsarana ary fanamafisana ny ezaka vita teo aloha izany hoy izy. Tontosa androany 16 janoary 2024 tao Anosy moa ny fifamindra-pitantanana teo amin’ ny Ministry ny Fambolena sy ny Fiompiana teo aloha, RAMILISON Harifidy sy ny Ministra Lefitra Misahana ny Fiompiana, Dr RAYMOND tamin’ny Ministry Fambolena sy ny Fiompiana vaovao, Suzelin RATOHIARIJAONA RAKOTOARISOLO. Ho atao laharam-pahamehana hoy ity Minisitra vaovao ity ny famokarana vary ka ankoatra ny voly vary an-drano dia hiezaka ny minisitera hampiroborobo ny voly an-tanety mba ahafahana manitatra ny velaran-tany volena. Eo ihany koa ny fanaovana ny voly avotra izay tena azo tsara. Ho jerena manokana koa ny mikasika ireo tanora vita fianarana ka misehatra amin’ny resaka fambolena sy fiompiana. Anisan’ny zavatra efa natomboky ny Minisitra teo aloha ary mbola ho tohizana raha ny nambarany ny fanohanana ny tantsaha mandinika amin’ny alalan’ny tan-tsoroka sy tohana. Natolotra nandritra ity fifamindram-pahefana ity moa ny boky mirakitra ireo paikady maro novolavolaina sy nohavaozina nandritry ny fotoana nitantanan’ny Minisitra sy ny Ministra lefitra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fambolena sy fiompiana. Naneho ny fahavononany amin’ny fanatrarana ireo tanjona maro sy ny fanatanterahana ireo adidy sy andraikitra miandry azy ho amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo kosa ny Minisitra vaovao. Ity farany izay niantso sahady fiaraha-mientana amin’ireo mpiara-miombon’antoka Malagasy sy vahiny maro.
Lalaina Rav
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap