airtel

Politique

21-déc-2022

Politique

Minisitry ny serasera “Maninona no tsy tonga dia notendrena amin’ny raharaham-bahiny?”

Sample post image

Tsy isan’ny misitraka ny fanampiana ara-bolan’ny MCC (Millenium Challenge Corporation) i Madagasikara ho an’ny taona 2023, saingy toa misy nampijabaka tamin’ny serasera ny Filoha,

21-déc-2022

raha nyy fanehoan-kevitra samihafa. Misy ny milaza fa manimba endrika ny Filoham-pirenena ny Minisitry ny serasera sy ny Kolontsaina izay matetika tazana hatrany eo anila-dRajoelina amin’ny dia any ivelany. “Ny Filoha Malagasy no nisy mpanaraka, izay tsy ny Minisitry ny raharaham-bahiny fa ny Minisitry ny serasera. Hafahafa be ilay izy, ny Filoham-panjakana rehetra no nandeha irery ka nahoana isika no mitondra minisitra? Iny angamba no heveriny fa mahay? Ny minisitry ny raharaham-bahiny no tokony hiaraka taminy.”, hoy ny Diplaomaty izay efa Ambasadaorontsika tany Sénégal teo aloha Atoa Paraina Auguste, araka ny fanehoan-keviny hita tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina Real TV omaly. Gaga aho, inona loatra no zavatra hitazonan-dRtoa Minisitra ny seraseran’ny Filoha? Hoy hatrany izy. Tokony tonga dia izy no natao Minisitry ny raharaham-bahiny fa tsy natao mpisolo toerana rehefa tsy avela manao ny asany ilay tena manana ilay andraikitra aminy, ary raha izaho no minisitry ny raharaham-bahiny niala aho satria tsy misy hilàna ahy izany, hoy hatrany Atoa Paraina Auguste. Nambarany fa mampijabaka ny Filoha ny Minisitry ny serasera. “Zavatra hafa no notenenin’ny Millenium Challenge Corporation na ny MCC hoe: “éligible” kanefa nolazaina fa hahazo vola isika kanefa isika tsy nahazo. Amin’ny 2023 indray manao tombana fa amin’izao efa tsy misy antenaina, aza manantena lisitra faharoa”, hoy I Paraina Auguste. Nambarany fa raha ny zava-misy amin’izao, tsy misy azo antenaina. Manaratsy ny taloha ny mpitondra ankehitriny, kanefa isika no nahazo ny fanampiana ara-bola voalohan’ny Millenium Challenge Account voalohany talohan’ny 2009, fa noho ny fanonganam-panjakana nataony no nahatapaka azy, hoy ity Ambasadaoro teo aloha io. Hanao fifidianana avokoa ireo firenena izay nasaina sasany, niresaka mivantana tamin’ny Filoha Amerikanina, ary nisy ny fampitandremana hoe: manara-maso anareo izahay, kanefa sary no navoaka nanaovana “werawera”!, hoy hatrany izy. Maninona, hoy ny tenany, no tsy mahatoky tena, tsy ho eo foana iny minisitra iny, ary tokony homena sehatra ny Minisitry ny raharaham-bahiny. Nambarany fa adalain’ny olona isika, nomena amboara hoe : tompodankan’ny indostria, avy eo indray tompondakan’ny fanjarian-tsakafo, kanefa amiko dia “champion”-n’ny kere isika, raha izaho ny Filoha tsy nandray an’ireny, hoy hatrany ny teenany. Lazaina fa efa mandeha tsara ny fitantanana ka aiza izay tena mandeha eo ? Hoy Atoa Paraina Auguste.
Toky R
 

Dans la même rubrique

02-mai-2024

Hampandany tsy misy fepetra ny kandida Avotra sy Jimmy natolotry ny Vovonana Firaisankina

Card image cap
02-mai-2024

Akaiky fifidianana isika amin’izao fotoana izao, ary mandeha indray ny fomba rehetra hanjonoana na hanerena

Card image cap
30-avril-2024

Mbola afaka milatsaka ambanin'izao ve i Madagasikara, hoy ny minisitry ny fiarovam-pirenena fahiny, ny jeneraly Désiré Ramakavelo?

Card image cap
30-avril-2024

Lasa ohatrany tsy miraharaha intsony na «indifférent» amin’izao fotoana izao ny malagasy,

Card image cap
30-avril-2024

Malalaka be ny atao hoe raharaham-pirenena, hoy ny raiamandreny sady mpandalina ny

Card image cap
30-avril-2024

Niroso tamin’ny fanoratana taratasy miantefa amin'Andriamatoa Mohktar Benlamine, Solontenan'ny FMI monina eto Madagasikara sy Andriamatoa Fréderic Lambert,

Card image cap