Raha zanany lahy i Haja dia zafikeliny kosa i Tinoka Roberto satria zanak'i Martine Tinoka, anabavin'i André Resampa .Tsy zoviana intsony i "Madame Martine" izay fantatry ny maro sy mamy hoditra raha nitantana ny Tranombokim-pirenena teo Ampefiloha, izay.niteraka ny tamin'i Toto Tinoka Roberto. Tsy ny Resampa misolo Resampa no olana fa ny mampanahy, ny ahiahy tsy hihavanana, dia ny mbola hatazonan'i Haja Resampa ireo tompon'andraikitra teo aloha. Tsy Tinoka Roberto velively no diso fa ireo mpiara-miasa efa tao am-polo-taonany maro toa ny Sekretera Jeneraly Lovatiko. Tsy afa-bela koa ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena Rosa Rakotozafy izay tompon'antoka tamin'ny nahavoasazy ny taranja tsipy kanetibe noho ny tsy fitazonana ny teny nomena. Mbola tsy voaloa mantsy ny volan'i Dollys Randriamarohaja nandehanana tany Thailande. Naka toky ity filohan'ny FSBM ity talohan'ny nandehanan'ny ekipam-pirenena tany Lomé ary dia nanaiky i Rosa Rakotozafy saingy maty ihany i Dollys fa mbola tsy azo ny vola. Tezitra noho izany ny Filohan'ny Federasiona iraisam-pirenena, Claude Azéma, ka namoaka sazy izay raha tsy mivaha dia tsy hisy Malagasy hilalao tsipy kanetibe amin'ny Lalaon'ny Nosy. Ity taranja ity anefa no mety hitondra medaly volamena sivy. Tsy azo tsinontsinoavina ity resaka tsipy kanetibe ity. Mpampianatra dihy no tena angadin'ity minisitra vaovao ity ka Indiana fa ho hainy ny hanao "pas de côté"ireo olana mitranga.
Clément RABARY
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny