airtel

Politique

02-janv-2023

Politique

Miodinkodina am-pitoerana ny fanjakana Tsy misy vahaolana matotra ho an’ny sosialim-bahoaka

Sample post image

Ity no tena hoe ny teo aloha ihany no miverina, tadiavina zarina amin’ny kizarazara fanampiana mitsitaitaika isak’izay misy fotoana manahirana ny vahoaka,

02-janv-2023

indrindra fa ireo sahy mampiseho ny tsy fahafaliany. Ireny hita nozaraina vary ireny ny mpivarotra tetsy amin’ny petite vitesse ny faran’ny taona teo no sady hoe avela malalaka hivarootra hatramin’ny omaly 1 janoary, teny amin’ny manodidina teny mantsy no nisy ilay tranga siotsioka nahazo ny filoham-pirenena. Rehefa nohainoana ny kabary ny faran’ny taona teo, tsy dia misy resaka mazava momba ny sosialim-bahoaka, fanorenana foto-drafitrasa, resaka hoe fiverenan’ny fifampatokisana amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany izay nanaovana teny fanesoana ny taona 2018 no nasongadina. Maro ny resaka natao teto raha hoe fananganana orinasa sy ozinina, saingy mazava ny tarehimarika fa mihen-danja ny vola Malagasy, izany hoe marary ny toekarena.raha atao mahitsy kokoa dia tsy misy vokatra miabo ho an’ny vahoaka aloha hatreto ny fireharehan’ny filoha sy ny ekipany fahoe tompon-daka amin’ny indostria i Madagasikara.Ny fiatrehana ny fety farany teo dia nahatsapana tsara fa miha mahantra ny Malagasy, asa na mba manadihady sy maka vaovao eny amin’ireny toeram-pivarotana ireny ihany ny fanjakana na manao kajy ambony latabatra fotsiny. Inona izao no hitranga raha sanatria ka misy rivodoza mahery 1 na 2 mandalo eto ? Ahoana ny fiatrehana ny maitso ahitra, ahoana io kapoakan’ny vary an-tanàn-dehibe efa mananika ny 900 ariary io ? Mirongatra izay tsy izy ny vaky trano sy ny halabotry eto an-drenivohitra sy amin’ny toerana manodidina, indrisy fa misy tranga tahaka izany ihany koa amina faritra maro. Ny olona efa tsy manana mbola somparan’ny jiolahy indray. Maro ireo mpandinika ara-politika sy ara-toekarena no efa mamerimberina fa sahirana ara-bola ny fanjakana Malagasy , sahirana satria sady diso laharampahamehana tamin’ny famoaham-bola no eo ihany koa ny fanodikodinana ny volam-panjakana amin’ny endriny maro samihafa. Tsy mila resaka avo lenta ben y vahoaka fa miandrandra kosa hoe : inona no vahaolana fa efa mazava fa hoe sahirana isika . Misy ve ny vahoalana, sa mahareta kely aloha tahaka ilay resaka tamin’ny delestazy ihany ny voalohan’ny taona 2022.Nambara tamin’izay fa hoe mba mila 6 ka hatramin’ny 8 volana eo ny famahana ny olan’ny delestazy.Aty amin’ny fiafaran’ny taona nolazaina indray fa amin’ny 2027 any ho any vao hivaha ny olana. Sahirana mamaha olana ary tsy mety mahita vahoalana ny mpitondra ankehitriny satria mbola anaty andrakandrana ary manomboka tsy mahafehy intsony ny fitantanana.
RTT
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap