airtel

Politique

28-juil-2021

Politique

Misavoritaka ny Fanjakana Rajoelina Manomboka mifamorika sy mifamono ?

Sample post image

Sahirana ny fitondrana ankehitriny amin’ny famahana olana sy krizy. Mety misy ny sinema politika, fa nisy ihany koa ny toe-javatra tena maneho fa anaty olana lalina ilay Fanjakana,

28-juil-2021

 ary ny ao anatiny aza mifanipaka, toy ny valala an-karona. Niharihary io tamin’ny adin’ny fahefana mpanao lalàna sy mpanatanteraka. Io indray ny resaka famonoana Filoha, toa maro ny zavatra manalasala, fa misy ihany koa anefa ny mampiahiahy. Ny samy anaty fitondrana aza mifampiahiahy amin’izao fotoana izao. Efa tratran’io na ny Fitondrana Ravalomanana nandritra ny raharaha 2008-2009 na ny Fanjakana Rajaonarimampianina ny 2017-2018, izay misy ny mety mamadika. Manomboka misy fivoriana sy filankevitry ny minisitra tsy ho an’ny rehetra na “conseil des ministres restreint”. Ny zoma 23 jolay, nisy ny fivoriana niantsoana mpikamban’ny governemanta ka izy rehetra ve no nantsoina? Toa voafetra ihany ny manatrika, midika fa mamaha krizy izany ilay fanjakana, tsy tena afa-miodina araka ny tokony ho izy fa variana amina toe-javatra iray, mitombo ny tsindry, dia avy eo hoe governemantan’ny fisokafana na hoe andao hiresaka, dia iaraha-mahalala ny tohiny, araka ny hita hatramin’izay.
OLONA AKAIKY NY FILOHA
Mandeha ny fanameloha etsy sy eroa toa maneho ankolaka fa ny any ivelan’ny fitondrana no mikasa hanao hanao ratsy, saingy tsy ampoizina ny mpamorika sy ny mpamosavy malemy ao anaty Fitondrana. Marihina sy tsiahivina hatrany fa Atoa Paul Rafanoharana iray amin’ireo nosamborina anie ka mpanolontsaina ara-diplaomatikan’i Andry Rajoelina tamin’ny tetezamita e ! Tamina fankalazana ny fetim-pirenena teny Mahamasina anie ka nifanakaiky toerana tamin’Atoa Andry Rajoelina izy e ! Inona ary no azon’ny Fanjakana na ny mpanohana azy hanazavana an’izany ? Io voatonontonona io ny anaran’i Sareraka, izay olona niara-dàlana tamin-dRajoelina hatramin’ny 2009. Tsy voatery hoe : efa meloka ireny olona ireny, ary mbola mipetraka ilay hoe : « présomption d’innocence », saingy ny tompon’andraikitra ambony ara-panjakana no toa efa manitrikitrika fa efa misy ny porofo toy ny volabe sy ny fitaovam-piadiana. Ny mpanohitra no atidoha ve sa ny namana akaiky no efa misy mandefona ivoho? Tsy voatery ho olona iray na roa, fa mety efa “clan” na vondro’olona anaty fitondrana na mpiray petsapetsa hafa io. Ankoatra izany, lesoka goavana ho an’ny Fitondrana ankehitriny rahateo ny hoe: fitondrana ara-dalàna (légal) fa tsy ara-drariny (légitime). Nekena araka ny lalàna fa toa tsy ahitana taratra ny safidim-bahoaka. Izay no mahatonga ny fahefam-panjakana tsy tena mipetraka sy tsy marin-toerana, mora hozongozonina, tsy hananan’ny vahoaka henamaso.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap