ny minisitra efa tsy voafehy ny sasany,... Ny Filoha moa toa efa any amin'izay hampalazana tena no hihazakazahana sanatria mety tsy mahabaiko intsony ny olom-peheziny. Navoakan'ny olona iray notorian'ny Fanjakana, ohatra, fa hoe ny Praiminisitra no tena nanitrikitrika ny handetehana azy fa tsy ny Filoha. Toa efa nofafana moa io hafatra io. Miporitsaka amin'ny heverina ho olon-tsotra avy aty ivelany anefa ny raharaha. Misy minisitra voatonontonona amina afera goavana indray izay tsy azontsika hamarinina hoe marina na diso, fa kosa tokony hanokafan'ny BIANCO (Biraom-pirenena misahana ny ady amin'ny kolikoly), SAMIFIN (Sampan-draharaha miantsoroka ny famotsiam-bola), ny CSI (Komity natao hitandro ny fahamendrehana),... hatrany amin'ny Fitsarana Ambony na HCJ,... saingy ny mahagaga, dia ny serasera sy porofo toa tsy misy lanja ara-panjakana no navoaka haingana, ary mihazakazaka be ny fiarovana ilay minisitra amin'ny tambajotran-tserasera satria ny mpandrefotra ihany koa manao ny ataony. Ny mahagaga, ilay olona notorian'ny Fanjakana sy ireo mpiara-dia aminy no miaro ilay minisitra. Ny olon-tsotra no tafiditra ao anaty vilanin'ny Fanjakana sa ny olona ao anaty Fanjakana no miantso hoe: ampio fa mafy ity? Rehefa ny Olom-panjakana goavana na Fanjakana na andrim-panjakana no tsy maharo tena dia hafahafa ny toe-javatra. Ilay minisitra tratry ny henjika io ihany koa anefa misy siosion-dresaka milaza fa tsara toerana indrindra hasondrotra ho Praiminisitra. Mety ho fifaminganana noho izany ve ny zava-misy? Raharaha goavana iny ka nivalaparana kely, fa mbola zavatra hafa ihany dia maty hasina ilay Fanjakana raha tarafina amin'ilay horonam-peon'ny Minisitry ny raharaham-bahiny nahenoana teny ratsy variraraka teny mamoafady hoe: "izaho andriana, ialahy andevo". Lasa fitantanana jiolahim-boto tsy misy etika ve matoa nangina ny Fanjakana manontolo kanefa mpanome lesona mikasika ny Soatoavina Malagasy sa an-tendro-molotra fotsiny? Dia tsy nisy na tamingana Olom-panjakana afaka nampanaovina fialan-tsiny amin'ny anaran'ny Fanjakana na tsy ilay olona mivantana aza ve fa hoe: ny Lehibe tsy mba meloka? Samy manao izay reviny izany eto, betsaka no efa mihevi-tena ho tompon'ny lakile ka tsy azo hontsonina eo,... ohatra iray hafa, toy ny fananan'olona mivady ny minisitera iray satria misy Ofisim-pirenena, ohatra, notsoahina ny tompon'andraikitra napetraky mpisehatra fa tsy metimety amin'ny minisitra, dia ilay vadina minisitra no minantsanantsana any anaty tambajotran-tserasera. Tsy hohitarina lava intsony ny hoe: minisitra anaty minisitera iray sy mpiara-miasa aminy tsy mifankahazo fa mifanao ankolafy (Minisiteran'ny tontolo iainana, Minisiteran'ny Angovo sy ny akoran'afo,...). Izany ve no atao hoe fitantanana raharaharam-panjakana manara-penitra? Firenena iza no handroso amin'izany na afaka 60 taona aza? Mariky faharavam-panjakana izany rehetra izany izay vao ampahany, ary raha tsy mailo fa mbola hiompy varatra noho ny hena-maso na tahotra ny Filoha dia ireo ihany no hifandrefotra ao, hitosaka any aminy ny rihitra rehetra.
Nilaza ho mahatoky ny mpanao fanadihadiana ny minisitra am-perinasa iray, ary taratasy vonjimaika no naseho tamin'ny tambajotran-tserasera, ary izahay tsy miasa amin'ny tambajotran-tserasera. "Tsy mieritreritra haka ny toeran'ny Praiminisitra aho ary ny Praiminisitra rahateo no nanendry anay. Tsy nanana eritreritra afa-tsy ny minisitera tantaniko Aho", hoy izy
Toky R
Handefa iraka manokana eto Madagasikara ny avy amin’ny Firenena Mikambana, hanara-maso sy hijery ny toe-draharaha
Higadona eto amintsika manomboka rahampitso Alarobia 27 Oktobra ny firenena mikambana na ny ONU
Tsy maintsy hisy hanaraby ny irak'Andriamanitra, hoy ny antoko politika Kristianina manao politika!
Hamory ireo mpiara-dia aminay ao amin'ny "Palais des Sports" Mahamasina izahay kandida ny zoma ho avy izao,
Miha mandroso ny fotoanan’ny fifidianana raha ho voatazona amin’ny 9 novambra ihany satria afaka iray volana roa volana eo dia higadona izany.
Distrika 2 ao amin’ny faritry vakinakaratra indray no notsidihin’ny kandida laharana voalohany Tahina Razafinjoelina ny alahady 24 septembra teo.