Ny tontolon’ny fanoherana, ohatra, toa misy ny paikady hoenti-mampizarazara azy ireo, ka betsaka ireo mitonona ho mpanohitra, fa avy eo misy ihany koa ny “mpanohitra ny mpanohitra”. Lasa mifamely sy mifamoaka tsiambaratelo aza indraindray. Ampiadiana tsy hiaraka ireo antoko mitonona ho mpanohitra mba tsy hahatongavana amin’ny kandida tokana iraisana. Sarotsarotra ihany koa anefa ny hahatongavana amin’io satria misy antoko lehibe mety manana ny hambom-pony avy, ka samy handrotsaka ny kandidany, ary any amin’ny fihodinana faharoa angaha vao hifanohana. Na izany na tsy izany, raha ny sary politika misy ankehitriny aloha, dia mibahan-toerana hatrany aloha ny fifanandrinan’Atoa Marc Ravalomanana sy Atoa Andry Rajoelina efa hatrany amin’ny taona 2006-2007, ary hatreto dia ireo ambaran’ny mpandinika fa manao ampihimamba ny tontolo politika eto, ary mifamelona ara-politika. Ekena fa mety hoe: voasokajy ho hery fahatelo Atoa Hery Rajaonarimampianina sy ny HVM tarihiny, saingy niainga avy amin’ny “ni Marc Ravalomanana, ni Andry Rajoelina” tamin’ny fifidianana 2013 no nahatongavany teo, ary ny kandida notohanan’izy mirahalahy mianaka no tafiditra fihodinana faharoa sy namoaka izay ho Filoham-pirenena tamin’izany, na ekena aza fa nisara-bazana avy eo ny HVM sy ny MAPAR. Mbola nanaporofo izany indray ny fifidianana 2018, izay mbola I Marc Ravalomanana sy Andry Rajoelina indray no tafiditra fihodinana faharoa rehefa samy navela nilatsaka. Mbola tombanana ho kandida matanjaka na “favoris” indray izy ireo amin’ity 2023, raha tsy hoe: misy tsimbadika politika tsy ampoizina mety hitranga angaha. Tsy manamaivana izay mety ho hery fahatelo, fa sarotsarotra fa tsy hoe: tsy ho vita ny fanatsimbadihana izay sary politika izay.
TE HIAKATRA NY HAFA
Miverina mifoha indray amin’izao ny resaka “ni…ni…” mba hanilihana an’azy roalahy mianaka ireo mba hananan’ny hafa herijika. Ao ny antoko manantena sy miandrandra, ary maniry mafy ny hisian’izany, fa ao ihany koa no miseho sy miteny ho hitan’ny olona, saingy ny mety ho tena tanjony, dia ny 2028 satria mety tsy hisehatra be amin’ny politika intsony ny iray amin’izy ireo na izy roa miaraka mihitsy. Ireo heverina ho kandida manomboka miketrika ihany koa anefa toa avy tao amin’ny fitondrana ankehitriny sy ny fanjakana teo alohany no miezaka mandeha irery, na mety ho mody manao vazaha mody miady amin’ny antoko niaingany,... Ao ihany koa ny manao politikan’ny tifitra lanitra hahavozana tendrombohitra, ka mirotsaka na efa mahalala izao aza fa tsy ho lany, saingy ny tanjona dia ny hivarotra izay isan-jato kely azo any amin’ny fihodinana faharoa hiandrandrana toerana ao anaty governemanta na toeran-kafa.
Toky R
Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.
Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,
Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia
Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,
Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.
Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,