airtel

Politique

11-janv-2023

Politique

Mitaky fifampidinihana ny iraisampirenena “Tsy hamatsy vola fifidianana feno hala-bato”

Sample post image

Herintaona mahery izay ny Rodoben’ny mpanohitra ho an’ny demokrasia eto Madagasikara na RMDM no niala nenina, hoy ny filohan’ny antoko politika Teza, Jean Louis Rakotoamboa.

11-janv-2023

Misy tsy mety ny fitsipi-dalao amin’ny fifidianana sy ny demokrasia, hoy izy. Miziriziry ny fitondrana. Manara-dalana izy fa io lalana arahany io rehefa jerena ny vokany dia manidy ny rafitra ho azy irery. Olony daholo no ao amin’ny CENI sy HCC. Mpiasa an-tselika no hampanaovin’ny CENI fanavaozana ny lisi-pifidianana nefa iankinan’ny hoavin’ny firenena manontolo. Izay no nahatonga ny RMDM hoe andao hifampidinika hisorohana ny fifandonana. Hatreto, afa-nenina ny RMDM. Efa nitaky ny vondrona iraisampirenena hoe mifandiniha tokoa. Rehefa tsy hanao ny fitondrana dia tomponandraikitra amin’izay hiseho eto. Tsy hanaiky lembenana intsony mihitsy ny RMDM hoe mbola hisy hanakana ny demokrasia na hanao ny tsy mety eto. Ho hitantsika eo ny fifandanjan-kery fa ny tianay dia fifidianana hifanarahan’ny rehetra, tsy misy hala-bato. Tsy misy fifidianana handeha izany eo raha tsy mipetraka tsara ny fitsipi-dalao rehetra. Tsy hamatsy vola fifidianana feno hala-bato izany ny fianakaviambe iraisampirenena. Raha ny tokony ho izy izao ny fanaraha-maso io fanitsiana lisitry ny mpifidy io dia na ny fiarahamonim-pirenena aza afaka midina ifotony manao izany. Fifidianana madio tsara tena ivoahan’ny safidim-bahoaka no tanjona atao eto. Faniriana koa ny hoe ho ara-potoana ilay izy nefa raha ho feno hala-bato dia ho haingon-tsehatra ianao. Ho lany herim-po. Ho lany vola. Lany andro nefa fifidianana tsy hanjary. Tsy hisy hiditra amin’izany, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap