airtel

Politique

04-juin-2024

Mitombo ny fahalemen’ny fitondrana

Ratsy toerana ny IRMAR amin’ny tanàn-dehibe sy distrika maro…

Sample post image

Mitombo ny fahalemena sy tsy fahamarinan-toeran’ny fitondrana, raha ny hita taratra amin’izao fifidianana izao.

04-juin-2024

Betsaka ireo tranga maneho fahasosoram-bahoaka toy ny tao Tsihombe, Tsiroanomandidy,… Eo ihany koa ny zavatra mety iniana volena hanasoketana ny mpanohitra, na koa noho ny tsy fahalanian’ny kandidam-panjakana. Ny any Faratsiho iaraha-mahita ny fifandroritana, ary kotrehina ny haharesy ny kandidan’ny mpanohitra, izay voalaza hatreto fa mitarika amin’ny elanelan’isa manodidina ny 2000 raha ny vokatra feno avy amin’ny SRMV. Any Tsiroanomandidy dia vizana hatreto ny kandidam-panjakana ary mety ho poa-droa ny kandida tsy miankina Raholijaona Harison. Betsaka amin’ireo tanàn-dehibe sy distrika no vizana na mitady ho vizana ny IRMAR raha tarafina amin’ny voka-pifidianana vonjimaika omaly maraina. Ny eto Antananarivo sy ny manodidina, laharana faharoa ny IRMAR amin’ny ankampobeny, ary misy mety ho raraka aza toy ny ao amin’ny Boriborintany faha-2, Boriborintany faha-3,... Ny any Mahajanga, mitarika ny kandida Afakandro Christian 44,33% omaly hariva,… Any Antsiranana I dia ny kandida tsy miankina Ibrahim Issa Charles no mitarika 37,53% tamin’ireo birao fandatsaham-bato 74/113 omaly maraina, raha 25,77% kosa ny kandidam-panjakana Rahelihanta Jocelyne, Miandrivazo mitarika amin’ny 36,92% ny kandidan’ny Firaisankina Rakotoniaina Lova tamin’ireo birao fandatsaham-bato 53/176, raha toa ka 27,71% ny kandidam-panjakana Richard Tsimahalefy Alexandrine. Any Ikalamavony, mitarika lavitra 62,83% tamin’ireo Biraom-pifidianana 26/98 ny kandida izay niara-dia tamin’ny tamin’ny fitondrana saingy tsy nahazo ny lokon’antoko, raha toa ka 37,17% kosa ny kandidan’ny IRMAR Raharimampionona. Mitarika vonjimaika 49,74% ihany koa ny kandidan’ny Firaisankina Mamihaja Charlot tamin’ireo birao fandatsaham-bato 55/306 any Mananjary, raha 31,95% ny kandidam-panjakana Randrianarison Maurice. Any Vangaindrano dia ilay kandida nosamborina nialohan’ny fampielezan-kevitra sy nalefa eny Antanimora Mahavitara Sylvestre no mitarika amin’ny isan-jato ambony be satria nahazo 44,09% tamin’ny birao fandatsaham-bato 151/362, raha toa ka 20,42% ny an’ny kandida IRMAR Randrianasolo Tojosoa Ideal, ary ifampizaran’ireo kandida 7 ambiny ny ambin’ireo. Any Farafangana, mitarika amin’ny isam-bato 62,07% ny kandida tsy miankina Raby Savatsarah amin’ireo biraom-pifidianana 21/193 raha toa ka 21,14% ny kandidan’ny IRMAR Andrianambenana Velomihoatra. Any Fandriana, mety hovizanin’Andriamiharivolemana Zavamanitra izay mitarika vonjimaika amin’ny 42,13% amin’ireo birao fandatsaham-bato 59/309 ihany koa ny Minisitry ny angovo teo aloha Andriamanampisoa Soloniaina izay 37,01% ny isam-bato azony hatreto. Any Manandriana, mitarika lavitra 50,07% ny kandida tsy miankina Solofomaharavo Jaona amin’ny birao fandatsaham-bato 15/124, raha toa ka 29,19% ny kandidam-panjakana Rasoamananjara Julie Florence. Any Iakora, ny kandida tsy miankina Sambo no mitarika lavitra 55,99% amin’ny Birao fandatsaham-bato 23/68, tsy miankina no Rakotonirina Jimmy no faharoa manana isam-bato 29,23%, raha toa ka fahatelo vonjimaika ny IRMAR Tsikilezy Mahazo izay tsy nahazo afatsy 10,46%. Any Sakaraha, mitarika 70,99% amin’ny Birao fandatsaham-bato 29/160 ny kandidan’ny Firaisankina Raphael Jean François raha toa ka 29,01% ny an’ny IRMAR Razakandrainy Henry Dominique. Any Benenitra, voalohany vonjimaika ny kandidan’ny Antoko Maitso Razafindramasy Faralahy nahazo 52,12% amin’ny biraom-pifidianana 18/88 raha 27,41M% kosa ny IRMAR Randrianandraina Christian.

Ratsy toerana sy tsy mitarika ihany koa ny kandidam-panjakana ao Vohipeno, Vondrozo, Beloha Androy, Betroka, Mahajanga II, Ambatoboeny, Marovoay, Mitsinjo, Ambatomainty, Antsalova, Antsohihy, Befandriana Avaratra, Mampikony,… Laharana faha-5 vonjimaika amin’ny kandida 6 any Beroroha ny kandida IRMAR Saholinirina Angèle, vizana ny IRMAR etsy Antanifotsy,…
Toky R

 

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap