tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Politique

Mitombo ny fahasosoran-dry Rossy “Aza sakantsakanana intsony ny fihetsiketsehana”

Nitarika ireo mpanohana azy nanamarika ny faha-48 taona namoana an-dRatsimandrava ny sabotsy teo ny Depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy.

13-févr-2023

Sample post image

Nirona teny Ambohijatovo izy sy ireo olona notarihiny taorian’ny lanonana ofisialy nataon’ny manamboninahitra. Noho ny fisian’ny zavatra vaovao nolaizain’ny Amiraly Ratsiraka talohan’ny nahafatesany, nilazany ny olona namono an-dRatsimandrava dia misy ny zavatra vaovao. Azo averina izany ny fanadihadiana izay fitakian’ny vahoaka, hoy i Rossy. Momba ny toe-draharaha anatin’ny fitondrana sy ny raharaham-pirenena kosa. Mitombo ny fahasosoran’i Rossy sy ny ekipany amin’ny amin’ny olon’ny fitondrana sasany, izay ambarany fa mandoto sy manaratsy endrika ny Filoha, saingy tsy mahavita miaro azy. Hentitra i Rossy naneho fa mila esorina ireo, ka nitondrany hafatra ho an-dRajoelina. “Namanao aho miteny aminao, misy olona ve ao manery anao ka atahoranao, iray no nofidianay ho Filoham-pirenena dia Andry Nirina Rajoelina. Ny ankoatra izay mialà tao ialahy isany fa aza “amedinareo” ny Filohanay… Aza matahotra fa ireto izahay, fa vao mpitarika fotsiny ireo, fa vonona izahay hiaro anao. Hongoty izay manelingelina anao fa mampimenomenona vahoaka, esory tao. Tena manao ny asany ny mpanohitra, izahay ato amin’ny maro an’isa tena manao ny asanay, fa ireo olona tsy nitolona no lasa ao an-dapa dia izahay no ameriden’ireo”, hoy i Rossy. Tsy misy mpiaro ilay, hoy izy, fa izahay tokony hiaro ahilakilaka, ialahy tsy nitolona tsy naninona fa manao “selfie” erak’I Madagasikara, tsy miakatra “antenne” ialahy miaro azy, izahay tsy avelan’ialahy hiaro azy fa alefan’ialahy any amin’ny mpanohitra. NItondra hafatra ho an’ny miaramila, zandary, admnisitratera sivily I Rossy fa ilain’ny firenena ny tany demokratika misy mpanohitra fa milamina. “Mijoroa ianareo ho eo afovoany manomboka izao, manomboka izao aoka tsy ampiasa zavatra mahafaty, aleo hanao ny mpanohitra, aleo hanao ny maro an’isa, izay manao vinany no samborina fa aza mamono olona”, hoy I Rossy. Tsara ny manamarika fa efa nidina an-dalambe nitaky fialana minisitra I Rossy, ary efa nisy depiote IRD ihany koa tany Bongolova nidina an-dalambe nitaky fialana governora. Naneho fa mbola manohana ny Filoha na atosika any amin’ny mpanohitra aza”, hoy izy. Midika zavatra maro ara-politika ny fampanenoana lakolosy ataon’I Rossy ka asa raha mihaino azy I Andry Rajoelina na tsia satria tsy vao sambany io. Efa manomboka mihamafy ny gidragidra ao anatin’ny Fitondrana satria misy ireo sosotra fa tsy iray monja satria mahatsapa fa ny nisasatra sy ny vely indray no toa hamaivanina ka asa izay hiafarany? Ny fifidianana anefa miha manatona, ny mpanohitra efa mitady izay hevitra handrapahana izao fitondrana izao.
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Fandrafetana lisi-pifidianana itarina lava Sao dia mba kajy hampandresena kandidam-panjakana ?
08-juin-2023

Mitohy ny fanalavam-potoana amin’ny fahafahana misoratra anarana anaty lisi-pifidianana, raha ny zava-misy amin’izao.

Card image cap
Anarana anaty lisi-pifidianana Hahazo 20 andro indray izay mbola tsy tafiditra
08-juin-2023

Hofaranana ny 10 jona izao ny lisitry ny mpifidy isaky ny distrika eto Madagasika, raha ny fandaharam-potoana nofaritan’ny CENI taorian’ny fifaranana vonjimaika tamin’ny fisoratana anarana ny 31 may lasa teo.

Card image cap
Tontolo politika Nodimandry omaly i Hary Naivo Rasamoelina
08-juin-2023

Nodimandry teo amin’ny faha-67 taonany omaly 07 jona 2023 tamin’ny 01 ora maraina Atoa Hary Naivo Rasamoelina, andrarezin’ny politika,

Card image cap
Vehivavy TIM Analamanga Nanome fanampiana an’i Ninie Donia
08-juin-2023

Nanome fanampiana an’i Ninie Donia ny Vehivavy TIM Analamanga tarihan’ny filohany, Arphine Rahelisoa omaly. Ny 20 mey lasa teo, nanao hetsika ho fitadiavam-bola ny Vehivavy TIM Analamanga

Card image cap
Jean Nirina Rafanomezantsoa «Laharam-pahamehana ny ady amin’ireo vahiny manjanaka»
08-juin-2023

Mikasika ity raharaha fitsaram-bahoaka tany Lalazana Vohibato, Fianarantsoa, ity dia manameloka tanteraka izany izahay, hoy ny filohan’ny HAFARI malagasy, Jean Nirina Rafanomezantsoa.

Card image cap
Roland Ratsiraka «31 miliara Ariary no lany tamin’ny Miami - Toamasina»
07-juin-2023

Volan’ny seranan-tsambo na «port» 100 miliara iraimbilanja na 20 miliara Ariary no nanaovana ny Miami tapany voalohany na «1 ère tranche»,

Voir plus