airtel

Politique

14-sept-2023

Mitsipaka tanteraka ny HCC sy ny governemanta

Miantso ny FFKM hitarika fifampidinihana ireo kandida 10

Sample post image

Nanamafy ny tsy fananany fitokisana intsony ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC ary manohitra

14-sept-2023

ny tsikombakomba miendrika fanonganam-panjakana ka nanomezana ny fahefana hitantana ny firenena ireo kandida miisa 10 ahitana an’i Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Tahina Razafinjoelina, Hajo Andrianainarivelo, Siteny Randrianasoloniaiko, Brunelle Razafintsiandraofa, Andry Raobelina, Paraina Auguste, Roland Ratsiraka, Jean Jacques Ratsietison, araka ny fanambaran’izy ireo teny amin’ny Urban Café Ambatonakanga omaly. Mibaribary raha ny nambaran’izy ireo ny fandikan-dalàna sy fandikana lalàmpanorenana miverimberina, hany ka tafalatsaka tanteraka ao anaty tsy fanarahan-dalâna ny firenená. Noho izany, tsy voahaja ny fisaraham-pahefana ary tandidomin-doza ny demokrasia, hoy ireo kandida, ka nanamafy fa tsy ara-dalàna ny nanenken'ny HCC ny anton-tataratasin’ny kandida vazaha Rajoelina Andry Nirina, ho ao anaty ny lisitra ofisialin'ny kandida ; Fanonganam-panjakana ny nataon'ny Fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC); Tsy ara-dalàna ny hitantanan'ny Governemanta ankehitriny ny firenena ary miteraka savorovo amin'ny vahoaka sy ireo andrim-panjakana hafa. Fanapahan-kevitra mitanila sy miendrika firaisana tsikombakomba amin'ny fahefana mpanatanteraka no hanasokajian’izy ireo ny fanapahan’ny HCC. «Tsy matoky intsony ny HCC izahay satria tsy afaka hiantoka ny tsy fitanilàna izy amin'ny famoahana ny valim-pifidianana sy ny ho fitsarana ara-drariny ireo disadisa mety hisy momba ny fifidianana, ary tsy hanatrika ny fanasana izay ho ataony amin'ny 15 septambra. Tsy ekena ny hitondran'ny Governemanta ankehitriny ny firenena amin’izao endrika fanonganam-panjakana izao, ny mpikabana anatin’io govememanta io raha teo efa nitanila hatramin'izay ary milaza ankarihary fa efa manohanana kandida iray. Misavorovoro ny saimbahoaka ary mandalo krizy ny andrim-panjakana sy ny firenena ankehitriny tsy misy fitoniana ny fikarakarana ny zotram-pifidianana », hoy ireo kandida 10. Noho izany, miantso ny herivelona rehetra sy ny vahoaka mpiray tanindrazana mba ho saropiaro amin'ny fanajana lalana sy ny fitandroana ny fiandrianam-pirenena izy ireo, ary miantso ny FFKM zahay mba handray ny andraikiny amin'ny maha Raiamandrenin'ny firenena azy, hitarika ny dinika hivoahan'ny firenena amin'izao krizy lehibe izao. Tsara moa ny mampahatsiahy, fa ny 30 aogositra teo taorian’ny fihainoana ireo herivelona politika samihafa dia naneho ny FFKM fa tena ilaina ny fifampidinihana hikatsaham-bahaolana hisorohana ny mety hisian’ny korontana, ka nilazan’io rafitra ara-pinoana io, fa vonona hitarika izany izy ireo. Tetsy ankilany, toa dia toa nohampangain’ny haino aman-jerin’ny fitondrana ho manakorontana ny efa milamina ny FFKM.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap