Tafiditry ny revin-gadra politika anefa ny resaka, ary ny Fanjakana mihitsy no niditra an-tsehatra nandray an-tànana ny fahatongavany. Nialohan’io aza dia nisy ny fanentanana tamin’ny alalan’ny hafatra fohy na “sms” voalaza fa nataona mpitantana ambony nanentana ny mpiasam-panjakana hitsena ilay zalahy. Nanetsehana manam-pahefana lehibe, nanetsehana fitaovam-panjakana maro samihafa,... Raha tsy hita firy amin’ny resaka fanatanjahantena izay maro ny olana, dia tazana tany an-toerana ny minisitry ny Fanatanjahantena Tinoka Roberto. Tany ihany koa ny depiote Tsiliva Christophe,... Fiaram-panjakana no nampiasaina nitondrana ity olon-tsotra nisongadina tamin’ny lalao nokarakaraina fahitalavitra tsy miankina ity. Natao tahaka ireny manam-pahefana ireny, nampiasana nitondrana azy ny fiara takelaka mena, nampiasaina ny fiaran’ny polisy nanao mpisava lalana, nitandahatra ny fiara raitra nahitana fiaram-panjakana nanaraka azy,… Tsy takona hafenina anefa ny fivoizana loko politika tamin’ny alalan’ity tovolahy ity, raha tarafina amin’ny zava-nisy hatrizay, eny fa hatramin’ny Filoham-pirenena aza efa nampiasa azy ity. Volam-panjakana, fananam-panjakana no nampiasaina, olom-panjakana samihafa,... Natao tahaka ny Filoham-pirenena ilay olon-tsotra izay dika mitovy amin’ny Filoha. Aza hitako ka nanao jery atrika hatramin’ny polisy sy zandary? Hoy ny fanehoan-kevitra iray. Mbola tafiditra ao anatin’ny asam-panjakana ve ny tahaka izao sa efa tena mivaona tanteraka makany amin’ny revin-gadra hoe: izahay aloha izao no eto dia izay tianay io? Mbola hay ve ny mamaritra ny antsoina hoe: asam-panjakana sy ny raharaham-panjakana? Voahaja ve ny andininy faha-39 momba ny tsy tokony ho fitanilan’ny fitantanan-draharaham-panjakana? Tany am-piandohan’izao fitondrana izao, isan’ny sarotiny dia sarotiny amin’ny fampiasana amin’ny tsy tokony ho izy ireny fiaram-panjakana ireny ny Praiminisitra Ntsay Christian. Raha nisy ny tranga fahitana fiaram-panjakana iray nisy namoaka tamin’ny tambajotran-tserasera ny 02 desambra 2019 izay nampiasaina ho “tête de cortège” tamina mariazy, dia isan’ny nanambara voalohany ny Mpitondra tenin’ny governemanta sady minisitry ny serasera tamin’izany hoe: “….Tsy misy ary tsy hisy fitondram-panjakana, Filohan'ny Repoblika, Praiminisitra ary governemanta mihitsy hanome rariny an'io trangana fampiasana fiara io, ary minoa ahy fa tsy maintsy hisy ny fepetra ho raisin'ny tompon'andraikitra mikasika ny olona nampiasa ny fiara (détenteur effectif) izay tsy ny Filoha, tsy ny PM ary tsy ny mpikambana amin'ny governemanta mihitsy akory”. Toa nesorina mihitsy ilay tompon’andraikitra nampiasa ilay fiara tamin’izany. Inona izany no maha samihafa an’iny sy itony tany Morondava itony ary ity aza niseho niharihary ny manam-pahefana?
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby