airtel

Politique

02-août-2021

Politique

Mpanabe asaina manao “TGV Fanabeazana” Depiote mpanao lalàna mihitsy no mampadika lalàna

Sample post image

“Ho fankasitrahana ny tontolon’ny fanabeazana dia am-pitiavana no nanasanay mivady ireo solontenan’ny “TGV Fanabeazana” isaky ny ZAP 23 eto amin’ny Cisco Tsiroanomandidy hiara-miasakafo,

02-août-2021

 notoloranay “maillots de football” ihany koa ireo ZAP 16, am-pitiavana”. Io no teny sy fampahafantarana nataon’ny depioten’I Tsiroanoamandidy Atoa Hajanirina Ramaherijaona, izay niteraka adihevitra tao aminny tambajotran-tserasera Facebook ny faran’ny herinandro teo. Amin’ny lafiny iray, mety zava-dehibe aminy izany, ary tsy misy maharatsy ny fanaovana asa soa sy ny fiaraha-misakafo. Azo ampiasaina sy ampidirina amin’ny resaka antoko politika indray angaha ny fanabeazana? Tsy efa izany ve no isan’ny nanenjehana an’I Marc Ravalomanana tamin’ny Repoblika fahatelo raha nanao ny “TIM Fanabeazana”?. “Tsy dia hitako loatra ny olana fa ny fomba fandraisan’ny sasany azy no mampihomehy, nanasa sy niara-nikorana tamin’ireo solontenan’ny mpanabe mitovy fijery aminay izahay, manan-jo amin’ny safidy politikany izy ireo satria olom-pirenena, tsy noterena fa mahatsapa fa tena mandeha ny TGV, dia izay! Dia hoy aho hoe tsy ianao be kiana io no hampihemotra ahy, dia manaova mba ho hitako, fa aza kianina ny kely mba vitako”. Nisy kosa no nanakiana, fa tsy voatery hanana fomba fijery izy ireo fa voatery ankolaka, misy amin’izy ireo mihitsy no niloa-bava amin’izany saingy tsy afa-manoatra, hoy ny fanehoan-kevitra. Tsotra ny valin-tenin’io depiote io dia ny hoe “asaivo miseho fa andron’ny mangaraharaha izao”, saingy iza no sahy hiseho eo anatrehan’ny hetraketraky ny mpitondra? Te ho tratry ny famindran-toerana angaha? Fa ny tena zava-doza sady mahamenatra dia ny hoe: ny mpanao lalàna mihitsy ve no tsy mahay lalàna na minia mikipy satria efa diso jamban’ny politika? Ny andininy faha-39 amin’ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4, nataon’ny tetezamita, dia milaza fa mazava, fa “ny Fanjakana no miantoka ny tsy fiandaniana ara-politika amin'ny Fitondran-draharaham-panjakana, ny Foloalindahy, ny Fitsarana, ny Mpitandro ny filaminana, ny Fampianarana ary ny Fanabeazana. Izy no mandamina ny Fitondran-draharaham-panjakana mba hisorohana amin'ireo asa rehetra fandanindaniam-poana sy ny fanodinkodinana ny volam-panjakana ho an'ny tombontsoa manokana na politika”. Hatrany amin’ny Filoham-pirenena no mandoko ny fanabeazana ho amin’ny lokon’ny TGV, dia io fa manaraka ihany koa ny depiote IRD. Izay tokoa angamba ilay hoe: izahay aloha izao no eto! Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap