airtel

Politique

11-avril-2024

Mpanakanto Bodo, kandida depiote

“Tena hiady ho an’ny Malagasy isika, ary hanova ny tantara”

Sample post image

Nanamafy ny nanambara ofisialy ny maha kandida hofidiana ho depiote

11-avril-2024

ao amin’ny Boriborintany faha-3 eto Antananarivo Rtoa Bodoharisoa Razafindrazaka, na Bodo no ahalalan’ny maro azy eo amin’ny sehatry ny mozika. Kandida mahaleo tena izy sy ireo mpiray lisitra aminy. Nandeha ny fotoana, hoy izy, ary maro ny zavatra nitranga nahafahana namakafaka lalina ny fiainam-pirenena, nifampidinika lalina tamin’ireo Raiamandreny, ny tanora,… Nandinika ny andraikitra tokony horaisina manoloana ny raharaham-pirenena. Nanefy azy ireo dingana maro, toy ny naha mpanakanto, tompon’andraikitra ambony, mpandraharaha. « Efa nisehatra tamin’ny tontolon’ny zava-kanto aho nandritra ny 35 taona mahery be izao, ka nahafantatra bebe kokoa ny filozofian’ny kolontsaina sy ny soatoavina Malagasy. Niampy izany rehefa nitana andraikitra ambony teo anivon’ny Minisiteran’ny kolontsaina ny taona 2002, ka nahalalako ny tsiambaratelon’ny asam-panjakana sy ny fitantanan-draharaha. Niditra an-tsehatra indray tamin’ny fandraharahana ka nahalala ny sedra maro misy, nahatsapa ny vesatra mianjady amin’ny mpandraharaha manoloana ny sandan’ireo kazaran-ketra indraindray mihoampampana izay tsy maintsy aloa », hoy i Bodo. Nidiran-doza, hoy izy, ny sehatry ny fandraharahana ka very ny rariny izay nifototra tamin’ny fahafahana sy fitovian-jo ary ny fifaninanana madio ara-pandraharahana. Nahitsy ny tenany nilaza fa mahavaky ny fo ny zava-misy satria samy mihambo ho tia tanindrazana, saingy izao aloha no zavatra iainantsika ankehitriny. « Tsy misy Malagasy na iray aza tsy mikaikaika amin’ny vidim-piainana, tsy misy Malagasy na iray aza tsy miasa saina amin’ny ho avin’ny taranany, ary ny tena tsy telina dia noho ny ady politika sy ny ady fahefana, ny hetahetam-pahefana nisy hatramin’izay no anton’izao rehetra izao. Kamboty velon-draiamandreny ny vahoaka, ka toa hararaotina ao anaty fampielezan-kevitra ireo marefo ara-pivelomana, kanefa lasa fatotra ara-politika ho an’ny valalabemandry mba tsy hananany intsony safidy ara-demokratika », hoy hatrany i Bodo.
HIADY NY RARINY, NY ARA-DALANA, NY SOA IOMBONANA
Nambarany fa vohitra ambinina fiharian-karena ny Boriborintany faha-3, anisan'ny be orinasa, ary anisa'ny mampiditra vola be indrindra amin'ny kitapombolam-panjakana kanefa hitantsika fa tsy zarizary ny faritra maro, tsy arakaraka izany ny tamberiny, ka anisan'ny fanintsiana hifantohako izany eny amin'ny Antenimiera. Tonga, hoy izy, ny fotoana, tsy ny tombotsoa politika fa ny tombotsoa iraisana izay mifototra amin'ny rariny sy manome lanja ny ara-dalàna no hojerena. “Mijoro aho, mijoro isika, mba ho solombavambahoakan'ny Boriborintany faha-3, ho Solombavambahoakan'ny Malagasy maro, ka tsy hijanona hitaky ny rariny sy ny ara-dalàna. Ho solombavambahoaka sahy, tsy ho solombavambavan'antoko na ho bolokin'ny mpitondra, tsy hikepoka sy hihinana volam-vahoaka,... Hikatsaka ny tombotsoa iombonana. Ho an'ny Firenena iray manontolo no hijoroako, hijoroanao, hijoroantsika. Tsy nanao rano dikain'ny zinga fa naka tsodrano tamin'i Dada sy Neny, ka maivana ny tongotra », hoy hatrany i Bodo, izay naneho fa mbola tsy vita ny tolona, ary hanova ny tantara. Naneho fa manolo-tànana ho an’ny rehetra ny tenany hahatrarana ny tanjona.
Toky R

 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap