airtel

Politique

06-oct-2021

Politique

Mpanao “compte fake” amin’ny fb Misy mandray 130 euros isam-bolana

Sample post image

Namoaka fanadihadiana mikasika ireo kaonty fako na “compte fake” ao anaty tambazotran-tserasera Facebook miasa eto Madagasikara ankehitriny omaly ilay mpanao gazety Malagasy ao amin’ny France 24 Gail Borgia.

06-oct-2021

 Nisy moa ireo nijoro vavolombelona nanaiky hanaovany izany fanadihadiana izany saingy tsy nety niseho tava kosa. Vehivavy iray no nilaza fa isan’ireo mitondra ireny Kaonty ireny nandritry ny 2 taona ary miasa ho an’ny governemanta Malagasy. Ny Facebook no toeram-piasana. Mamboly anarana sandoka na “faux profil” ao kosa no asa ary maneho hevitra manoloana fanehoan-kevitra iray na “publication” avoakan’ny lehiben’izy ireo (chef d’equipe). Ohatra noraisiny ny sarina mpanao lakozia fanta-daza iray miara-maka sary amin’ny filoham-pirenena sy ny ankohonany. Tanjona ny haneho fa akaiky vahoaka ny filoham-pirenena. Sary namboarina na “montage”, hoy izy, ity sary ity. Ny minisitry ny serasera, Lalatiana Rakotondrazafy Andriatongarivo, raha ny fanazavany, no mitondra ny fampitan-kafatra satria anaty fahaizany izany. Izay no ahafahany mifehy ny zavatra alefanay rehetra ny serasera rehetra manodidina ny filoham-pirenena sy ny manodidina azy. Tsy mbola nihaona mivantana tamin’ny minisitra aho fa manana mpampita hafatra hatrany izy. Tsy mionona amin’ny fanindraindrana ny filoham-pirenena ireo kaonty fako fa mody mandefa hafatra mitsikera koa mba hamoronana adihevitra tsy mitondra mankaiza na “faux debat”. Tanjona ny handraisan’ireo mpisera anaty tambazotran-tserasera hamoaka hevitra mba handanjana ny fetran’izy ireny. am-bolana maro izao izahay, hoy hatrany ny mpanao kaonty fako iray, dia nivoy sarin’ny zanaky ny filoham-pirenena nentina nilazana fa mandray zava-maha domelina ity zanany ity izahay. Tsy mino aho fa avy amin’ny filoham-pirenena izany fisoketana ny zanany izany. Tsy fantatray ny tena marina fa asaina ataonay ilay izy. Somary enjehin’ny heritreritra ihany izahay manao azy, indrindra, rehefa hoe mikitika ilay fianakaviana izany. Nandiso izany rehetra izany moa ny minisitry ny serasera, Lalatiana Andriatongarivo, ary nanamafy fa manana mpanaradia azy ireo manohana azy maimaipoana izy. Tsy manam-bola hanakaramana kaonty fako izahay, hoy ny minisitra. Mandiso izany anefa ny resaka maro. Araka ny nambaran’I Anicet Rarivomanana, filohan’ny fikambanan’ireo tanora tsy an’asa eto Madagasikara dia miisa 17.000 ireo mpikambana ao no nanohana an’I Andry Rajoelina nandritry ny fampielezankevitra. Hatramin’izay nahalany azy anefa dia very an-javony ny fangatahana fanampiana mikasika tetikasa nataon’izy ireo. Raha kely dia miisa 32, hoy ity filohana fikambanana ity, no nanaiky hanangana kaonty fako hanohanana ny filoham-pirenena. Diso fanantenana tamin’I Andry Rajoelina izahay, hoy izy. Misy mivelona amin’ny kaonty fako satria nitodi-damosina taminay ny filoha. Nampanatena asa izy nefa hatramin’izao tsy misy. Isan’ny nanaovana kaonty fako koa ny filoham-pirenena teo aloha ary mandray 130 euros isam-bolana ny mpiasa tamin’izany, hoy hatrany ny mpanao kaonty fako tamin’ny fotoan’andro. Nisy fotoana ny minisitry ny serasera mihitsy no nanome baiko anay hiresaka ilay tranga satria nahatsiaro ho voatohitohina tamin’izay ny fiainana manokan’ny filoham-pirenena, hoy hatrany ilay vavolombelona.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap
24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap