Andry Rajoelina, izao no manomboka manova fanehoan-kevitra na ilay antsoina mahazatra hoe «miova langage» ireo mpanohana fitondrana, izay heverina fa nahatsiaro tena ho voahilika tao anatin’ny ambara matetika hoe tolona niarahan’izy ireo hatramin’ny taona 2009 na koa hoe voailika tanatin’izao fitondrana izao. Na tsy tena milaza mivantana ny atao hoe asosorana sy mety ho otrikady any anatiny avy any aza izy ireny dia voavakin’ny sarambabem-bahoaka ihany ao anatin’izany rehetra izany ny tsy fahafehezan’ny ankamaroany ny fihetseham-pony. Tao ny nilaza fa raha tsy izy, ohatra, no teo tamin’izany 2009 izany, tsy ho tonga tamin’izao toerana misy azy izao mihitsy ny filoham-pirenena. Tao ny nahavita nilaza tamin’ny onjapeony manokana mihitsy fa tsy nisy fitondrana nanangana ady taminy izany ka naharitra. Ny sasany moa tsy fahenonao miresaka firy izany olan’ny JIRAMA izany hatramin’izay naha solombavambahoaka azy kanefa dia gaga ny mpanara-baovao maro fa tena nanao tsikera mahamaivay mikasika izany orinasam-panjakana mampijaly vahoaka amin’izao fotoana izao izany indray izy ankehitriny.
J. Mirija
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby