airtel

Politique

27-mars-2023

Politique

Mpanohitra miatrika fifidianana Sarotra ilay fametrahana kandida tokana

Sample post image

Saika nahatonga solontena tetsy amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola avokoa ny alakamisy lasa teo ireo

27-mars-2023

etamazaoro politika avy aty amin’ny fanoherana ny fitondrana mijoro ankehitriny nandritry ny fanotronana ireo depiote nanao sonia ny fitsipaham-pitokisana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ny governemanta, izay nanao fanambarana niantso ny hery velona hafa hijoro hiaraka aminy hiady ho amin’ny fampanarahan-dalana eto amin’ny firenena. Tao ny avy amin’ny antoko politika MMM, ny MTS, ny TIM, ny HVM, ny Les As. Tazana tao ihany koa ny avy amin’ireo vondrona sy vovonana politika toy ny Panorama, RMDM, MMS, VPHM sy ny maro hafa. Nanamarika indrindra ny fanotronan’ireo filoham-pirenena teo aloha mirahalahy, Hery Rajaonarimampianina sy Marc Ravalomanana, ny fotoana. Porofo ny maha iray tsy mivaky ny mpanohitra izao, hoy ny serasera novoizina. Tsy misy mila tetezamita izany eo fa ny hahatongavana amin’ny fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra no tanjona. Nitohy omaly teny amin’ny Novotel Alarobia moa ny fihaonana nandritry ny fifampidinihana ahatongavana amina fifidianana madio mangarahara ny zoma lasa teo. Hatreto dia mamofompofona fanohanana kandida tokana ny eo anivon’ny fanoherana ao anatin’izao 6 volana mahery kely tsy hahatongavan’izany fifidianana izany izao. Raha ny resaka miely heno teny amin’ny lalantsara rehetra teny rahateo dia hita ho mizotra mankany amin’izany. Misy loharanom-baovao ihany koa anefa manambara fa tsy mety mahita marimaritra iraisana ny mpanohitra ny amin’ny hoe kandida tokana ammin’ny fihodinana voalohany fa dia mety samy hitondra ny lokony ihany aloha, fa any amin’ny fihodinana faharoa any vao mety hanambatra hery. Tsy mora ilay mikaroka marimaritra iraisana eo amin’ny samy antoko, izay samy manana ny vinany sy ny fandaharanasany, ary indrindra ihany koa fa manana mpitarika izay mbola hita hoe te hiverina mafy eo amin’ny fitondrana amin’ny herin’ny tenany manokana fa tsy te hiankin-doha amina vondrona politika hafa.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

02-oct-2023

Fitakiana io ary zon’ny rehetra ny midina an-dalambe, tena zo izany ary ny fianakaviambe iraisam-pirenena izay tsy

Card image cap
02-oct-2023

Mizara roa ny fanaovana politika, ka misy ny mitaky ny hanajana ny fiandrianam-pirenena sy ny fanjakana tan-dalàna

Card image cap
02-oct-2023

Ho mafy ity tolona ity, hoy ny mpitarika ny Hetsika fotsy, Hary Razafindrazaka! Be loatra, hoy izy,

Card image cap
02-oct-2023

Namoaka fanambarana manamafy ny hisian’ny fitarihana vahoaka eny amin’ny Kianjan’ny 13 may anio

Card image cap
02-oct-2023

Anio ny fotoana voatondro hisian’ny fidinana an-dalambe eny amin’ny Kianjan’ny 13 may

Card image cap
02-oct-2023

Araka ny efa nampozina sy efa mahazatra, namoaka fanambarana ny OMC (Organe Mixte de Conception)

Card image cap