airtel

Politique

19-juil-2021

Politique

Mpanohitra Samy miady ho lohany !

Sample post image

Miova toa mizara roa ny endrika isehoan’ny fanoherana eto Madagasikara, taorian’ny fivorian’ny Vondrona PANORAMA tetsy amin’ny Foiben’ny HVM teny Andraharo ny sabotsy lasa teo.

19-juil-2021

 Eo ny RMDM tarihin’Atoa Marc Ravalomanana ary nohetsehina ny Vondrona PANORAMA, izay ry Rivo Rakotovao no isan’ny manetsiketsika azy. Na nilaza aza ny Vondrona PANORAMA, fa maneho firaisan-kiana sy fiombonana amin’ireo lafin-kery rehetra maneho fahasahiana hijoro hanohitra sy hamaky bantsilana ny fitantanana tsy mahomby, dia isan’ny nodinihina ny sabotsy teo ihany koa fa tsy tokony ho mpikambana ao anatin’ny PANORAMA, izay ao anatin’ny mpanohitra hafa. “Izahay dia tsy manohitra ary tsy mitsabaka amin’izay raharahan’ny vondrona hafa any milaza ho mpanohitra, izahay dia milaza fa manana ny fijerinay, manana ny politika heverinay fa ahazoana manatsara ny fiaianam-pirenena. Mitaky fomba fanaovana politika vaovao I Madagasikara, mitaky antoko politika nahita lesona teo amin’ny tantara, fa tsy politikan’ny fitadiavan-tseza sy fahefana fotsiny. Ny fakana fahefana dia mifototra amin’ny fanatanterahana foto-kevitra ka miroso amin’izany. Tsy mivavaka aman’olona na tsangan’olona ny Vondrona PANORAMA, fa manohana fomba fijery”, hoy I Hary Naivo Rasamoelina. “…Raha tonga kosa, noho ny zava-misy ny fifanarahana politika hanavotana firenena handraisan’ny besinimaro anjara, tsy miresaka fitadiavan-tseza ny anay, fa resaka fandraisana andraikitra fanavotana firenena dia ho hita eo ny fanapahan-kevitra amin’izany, tsy handà ny fifanakalozan-kevitra, ary mety handray anjara ihany koa amin’ny fanavotana ny firenena, izay andraisan’ny besinimaro anjara”, hoy kosa I Didier Rakotoarisoa. Tao anatin’ny fehin-kevitra dia naneho ny Vondrona Panorama, fa tsy hiara-hitantana amin’ny fitondrana misy ankehitriny mihitsy raha tsy amin’ny alalan’ny fifanarahana ara-politika ka inoana fa hitondra voka-tsoa ho an’ny firenena, ary nanamafy an’io I Rivo Rakotovao, fa tsy miditra amin’izany raha rahampitso aza no horavana ny governemanta. Vonona amin’ny fifanarahana fa tsy hiditra amin’ny fisokafana izany.
ISAM-BATO BETSAKA INDRINDRA
“Na RMDM na PANORAMA, na mpivady ao an-trano aza misy tsy fitovian-kevitra kely ihany, fa tsy maintsy mifandefitra sy mitady marimaritra iraisana. Raha jerena ny lalàmpanorenana, ary misy ny lalàna 2011-013 dia izay mahazo vato betsaka indrindra faharoa no mahazo ny toeran’ny Lehiben’ny mpanohitra sy ny Filoha lefitra faha-7 ao amin’ny Antenimieram-pirenena natokana ho an’ny Filohan’ny mpanohitra, ary ny depiote TIM ihany ihany koa ny faharoa nahazo isam-bato be indrindra”, hoy kosa ny depiote iray avy amin’ny TIM ny sabotsy teo. Hita taratra aloha izany hatreto ny fisiana vondrona roa izay samy milaza ho mpanohitra, raha toa ka niray tadin-dokanga ihany tany aloha satria nifangaro tao anatin’ny RMDM ihany ireo teo aloha, ary nifandray tao anatin’ny PANORAMA ihany koa, saingy mety hizara roa miavaka izany ankehitriny, ary samy maneho fa tompony sy lohany amin’ny fanoherana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap