airtel

Politique

12-avril-2022

Politique

Mpanolotsaina Komba “Manao sarin’ady ny Ben’ny tanàna Naina sy ny TIM”

Sample post image

Notondroin’ny Antoko Humaniste Écologique misy ireo mpanolotsaina Komba dia I Toavina Ralambomahay sy Hilda Hasinjo Ravelonahina ho manao sarin’ady ny ben’ny tanàna Naina Andriantsitohaina sy ny mpanolontsaina

12-avril-2022

 kaominaly avy amin’ny Antoko TIM eo anatrehan’ny toe-draharaha miseho ao anatin’ny Kaominina Antananarivo ankehitriny. “Tsy tokony hanao vazaha mody amin’ny TIM ny ben’ny tanàna, ary ny TIM tsy hanao tahaka an’io fa na manohana na tena mijoro amin’ny maha mpanohitra. Namoaka dosie 300 pejy ny ben’ny tanàna, fa tsy nandeha nitory tany amin’ny Bianco sy ny fitsarana. Izany ve izany no nahatonga ny TIM mifidy “eny”. Clémence Raharinitrina izao tao amin’ny IRK fa nijoro ho mpanohitra, ka ny TIM izay manohana ny ben’ny tanàna tokony hijoro hoe: ireto izahay manohana ny ben’ny tanàna”, hoy ny Antoko Humaniste Écologique omaly nandritra ny fanambarany tetsy amin’ny Réstaurant Tsiky Ambohijatovo. Nambaran’izy ireo lalaovin’ny TIM sy MAPAR. Tsy manana ny maro an’isa tamin’ny ffidianana natao ny MAPAR, 25 avy ny TIM sy MAPAR, 5 tsy miankina, kanefa lasa tsy mipetraka ny fanoherana ny ben’ny tanàna tany aloha, hoy ny fanamarihana. Anton’io moa ny fisian’ireo mpanolontsaina TIM voalaza fa mamadika satria voavidy vola, ka manohana ny ben’ny tanàna any amin’ny latsa-bato miafina. Isan’ny paikady nentin’ny ekipan’ny ben’ny tanàna mikasika ny fifidianana ao amin’ny kaominina moa ny fanaovana latsa-bato miafina vao ny ampahefatry ny mpanolontsaina no mangataka izany, ka zary lasa fomba fanao raikitra io, raha toa ka tokony ho tsangan-tànana, ka tsy fantatra mazava ho azy ireo mpamadika. Na izany aza, efa nilaza hijery sy hamantatra izay mamadika ka hampihatra ny fitsipika anatiny ny TIM.
Toky R
 

 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Efa fiainana ilay miaraka amin’ny vahoaka, hoy ny kandida ho solombavambahoaka ao Manjakandriana, Dr Fidy Bariniaina.

Card image cap
25-avril-2024

Nivadika ny rasa, nanapa-kevitra ny tsy hanohana ny kandida solombavambahoaka avy amin’ny

Card image cap
25-avril-2024

Tsy hitondra fitoniana eto amin'ny firenena ny fifidianana kasaina hatao eto Madagasikara

Card image cap
25-avril-2024

Raharaha isan’ny mitana ny sain’ny maro ankehitriny ny nampidirana am-ponja an-dRtoa Ramalason Olga,

Card image cap
25-avril-2024

Mila averina ny hasin’ny fanabeazana eto Madagasikara, hoy ny antoko politika RCR-Tolona,

Card image cap
25-avril-2024

Mitohy ny fanamboarana ireo làlana mampitaraina ny vahoaka ao Ambohimanarina.

Card image cap