endrika ny firenena manoloana ny tompon-tanàna sy ireo vahiny. Tsy misy làlana azo hidovirana intsony eto amin'ny firenena raha tsy ilay lohahevitra famahana ny olana amin’ny « Malagasy samy Malagasy », araka ny efa nivoitra tamin’ny fakan-kevitry ny FFKM ny 29-31 aogositra, hoy izy ireo. Ho zava-doza, hoy izy ireo, raha tsy halamina ka tsy olana raha mihemotra aza aloha ny fifidianana, miditra amin’ny « transition électorale » izay hamahana ny hevitra mampifanolana, hitondrana fampihavanam-pirenena, hiresahana lalàmpanorenana vaovao, ny fandrafetana ny HCC sy CENI, ary ny governemanta iraisana no tokony hirosoana,... Notsipihin’izy ireo tamin’ny alalan’Atoa Beanjara Paul fa mitetika hanao « coup d’Etat Electoral » na fandravana Fanjakana amin’ny alalan’ny hala-bato sy hosoka ny mpitondra. Isan’izany, ohatra, ny nilazan’ny kandida fa tsy milamina ny lisi-pifidianana satria misy 4 tapitrisa latsaka, saingy tsy noraharahiana. Notsikafonin’izy ireo, fa tsy latsaky ny 6 ny fandikan-dalàna nataon’ny mpitondra ankehitriny notarihin’ny Filoha teo aloha izay efa niala. Anisany ny andininy 139-142 amin'ny Lalampanorenana milaza fa mizakatena ara-pitantanana sy ara-bola ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na CTD, kanefa tsy notanterahina fa nofihinina ny vola 1.300 miliara Ariary tokony ho nozaraina tamin'ireo CTD ireo (Kaominina sy faritra), fa navadiny ho « Projets Presidentiels ». Ny 5% ihany no nalefany tany amin'ny CTD. Andininy faha-154 milaza tsara fa ny Lehiben'ny Faritra izay fidim-bahoaka no mitondra ny Faritra (Regions) fa tsy Governora notendrena. Ny Fitsipaham-pitokisana (na motion de censure) izay nataon'ireo depiote 105 dia nosakanan'ny Filoham-pirenena fotsiny dia neken'ny HCC. Ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina mihitsy no efa nanaiky fa nangataka zom- pirenena Frantsay (Naturalisation) noho ny fitiavan-janaka, hoy izy, dia mbola mody fanina ny HCC, milaza fa tsy mahavita manadihady. Fandikan-dalàna ny nandavan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona ny toerana Filoham-panjakana vonjimaika satria tsy manana olana ara-pahasalamana voamarin'ny Mpitsabo,... Ka noho izany, raisinay ho firaisana tsikombakomba amin'ny famotehana ny firenena izany sady fanitsakitsahana ny zon'olom-boafidy eto Madagasikara. Araka izany dia tokony mametra-pialàna ihany koa izy amin'ny toeran'ny Filohan'ny Antenimierandoholona, fa miakatra misolo azy ny iray amin'ireo Filoha Lefitra, hoy ireo CT teo alohha.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby