airtel

Politique

25-janv-2024

Mpikamban’ny governemanta

Misy tratry ny famoahana dosie maloto sahady…

Sample post image

Isan’ny nanamarika ny governemanta ankehitriny ny fampanaovana fianianana

25-janv-2024

ireo minisitra mialohan’ny nandraisany ny asany fa tsy hanao kolikoly ary hiasa ao anatin’ny fahintsiana. Tsy niandry ela anefa, dia efa misy minisitra malaza ratsy satria vao voatendry dia efa misy mamoaka ny dosie maloto. Tsy miandry ela anefa, fa misy mpikamban’ny governemanta tratry ny karazana ampamoaka sahady, ary ny avy ao anatin’ny fitondrana ihany no mandrefotra ny raharaha. Minisitra lehilahy iray no voatonontonona fa atidohan’ny fangalarana sy fakana tany tsy ara-dalàna mirefy 5000Ha ao Mangoky. Voarohirohy ho nanodikondina volam-piangonana lehibe iray. Efa im-betsaka niakatra BIANCO tamin’ny raharaha kolikoly, voatonontonona amin’ny fivarotana diplaoma amin’ny olona maro tsy nianatra teny amin’ny oniversite, fanodinkodinana vatsim-pianarana ny taona 2021-2022,… hoy ny ampahany amin’ireo ampamoaka. Dosie nialohan’ny naha minisitra izany ka tsy hitan’ny fanadihadiana nialohan’ny fanendrena ve raha mitombina tokoa? Mbola misy mametraka adihevitra ihany koa ny gradiny manoloana ireo olona eo ambany fahefany. Maika hanao minisitra izy hilatsaka depiote satria mitady zo tsy azo henjehina na « immunité parlementaire » amin’ireo afera maloto rehetra ireo ka tena mendrika azy tokoa ve ny toerana ministra ? hoy ny loharanom-baovao avy any anaty fitondrana. Vao miandoha izany, dia efa misy tompon’andraikitra ambony tratry ny ampamoakan’ny tandapa. Hitsikitsika ihany koa anefa tsy mandindihy foana fa matoa mipoaka ny resaka tahaka izao dia ao raha ? Raha tena mitombina ireny, mbola tsy minisitra aza efa betsaka ireo afera mainka fa nahazo fahefana ?
ADY FIADY
Ny ao anatiny fitondrana ihany no mamosaka izany, izay midika aloha fa tsy tena misy ihany koa ny firaisankina eo amin’ny samy mpitondra, ary mety misy ny diso fanantenana, ka mitady hirika hamelezana ny hafa satria mba mety nikendry ilay toerana ihany koa. Ady fiady amin’ny politika rahateo ny tahaka izao. Anjaran’ilay minisitra ihany koa ny manazava sy mandiso raha toa ka faminganana politika azy sahady ny fanaposahana ireny ambara fa dosie maloto ireny, fa raha ny fijery azy dia mety tsy hijanona eo ny resaka momba azy, ary mety hiitatra any amin’ny hafa. Mbola vao tsy ela no voatendry ny mpikamban’ny governemanta, ka andrasana ny vokatra hoentiny, indrindra fa ao anatin’ilay 100 andro. Ao anatin’ny enim-bolana ho avy ihany koa no heverina fa hanatanterahana ny fifidianana depiote ka asa izay mety ho fiovam-pitantana aoriana fa dia samy miandry ny fihodin’ny politika aloha ny rehetra ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap