airtel

Politique

21-mars-2024

Mpikatroka TIM sasany eny Avaradrano

« Tsy ankasitrahanay ny kandida natolotra »

Sample post image

Mafampana ny adihevitra politika momba ny fiatrehana fifidianana, indrindra fa ny fanolorana kandida.

21-mars-2024

Na any amin’ny fitondrana na any amin’ny fanoherana dia tsikaritra ny fisian’izany. Taorian’ny fivoahan’ny ampahana lisitry ny kandida ho an’ny vovonana iray anatin’ny fanoherana, dia mandeha ny karazana fanambarana indrindra eo anatrehan’ny fisian’ny depiote teo aloha tsy voasafidy ho kandidan’ny vovonana sy ny antoko nihaviany. Raikitra ihany koa ny fimenomenonan'ny mpikambana sasany eny ifotony (base) ho an’ny TIM Avaradrano. «Tsy tokony ho ny ben'ny tanàna am-perinasa an'i Sabotsy Namehana no notendrena hitarika ny lisitry ny vovona Firaisankina ao Avaradrano. Ny depiote TIM voafidy ankehitriny teto Avaradrano no heverinay fa mety amin'izany toerana izany satria tiam-bahoaka izy ary manaporofo izany ny nahalany azy in-droa nisesy ho solombavambahoaka. Voky traikefa izy ; efa hainay tsara ny fomba fiasany fa tena solotenanay any amin'ny rafitra ambony rehetra izy ary mihaino anay", hoy ireo mpikatroka ssany. Milaza izy ireo fa ny depiote Gerry Randriambolaina dia TIM hatramin'izay ka hatramin'izao ary nitolona hatrany, tao anatin'ireny hetsiky ny "73 députés" ireny, nandray anjara tamin'ny miara-manonja sy ny fanoherana ny amboletra tamin'ny fifidianana filoham-pirenena farany teo. Nilaza ireo mpikatroka eny ifotony nanao fanambarana, fa zava-dehibe ny fihainoana ny "base" ; ny tsy fanajana izany dia miteraka fisaraham-bazana ka manimba ny antoko, ary mety hiteraka fahalainan’ny mpifidy. Efa ireny ny fanapahan-kevitra noraisin’ny antoko izay misy rafitra mitantana sy mandrindra aty ambony andaniny ka asa hanao ahoana ny tohiny ? Handeha mahaleo tena ve ny depiote am-perin’asa ?
Toky R
Sary fanehoana
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap