airtel

Politique

25-juil-2022

Politique

Mpitarika ny TIM nosamborina “Tsy hihemotra izahay, miantso ny vahoaka hijoro”

Sample post image

Tsy niandry ela, fa ny alin’ny nisamborana azy ireo dia nisy avy hatrany ny fambarana nataon’ny Mpandrindra Nasionalin’ny Antoko TIM Jean Claude Rakotonirina sy ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro, izay

25-juil-2022

nosamborina teny amin’ny Magro Behoririka, ary navotsotra ny sabotsy tokony ho tamin’ny 7ora sy sasany hariva ihany. Nahitsy ny Mpandrindra Nasionalin’ny TIM nilaza fa mikorosy fahana ny fampiharana ny demokrasia. Nilaza ny tenany fa andraikitra amin’ny maha mpitarika ny antoko no nataon’izy ireo satria manana andraikitra araka ny voalazan’ny andininy faha-55 amin’ny andininy fahatelon’ny lalàna fehizoro 2018-008 dia ny fanentanana ny fiainana ara-politika na:“animation de la vie politique”. Izany no nambarany fa antony tokony nanaovana hetsika tao amin’ny Magro, ary notsipihiny fa toerana voafefy, tsy mila akana alalana satria ao anatin’ny andraikitray tanteraka, kanefa tao anatin’izany no nisian’ny fisamborana, “arrestation arbitraire”; tsy misy antony manokana tokony nisamborana anay, tsy misy mihitsy fanajana ny zon’olombelona fa tahaka ny misambotra mpangalatra gaigilahy; tsy fantatra ny antony fa nolazaina hoe: rehefa tonga any amin’ny toerana fanaovana fanadihadiana ho hitanareo eo ihany. “Fampihorohoroana fotsiny na fanapenam-bava sy hahazoanay maneho hevitra ny zavatra nisy tany, kanefa izahay dia mijoro eto fa raha mbola amin’ny andraikitra amin’ny fampandehanana ny antoko, dia tsy hihemotra ny hilaza ny hevitra mihitsy izahay satria zo fototra homen’ny lalàmpanorenana anay ny filazana ny hevitra sy ny fanazavana ihany koa ny zavatra rehetra iainana amin’ny firenena amin’izao izay tsy takona hanefinana satria iaraha-mahalala ny fahasahiranana ny vahoaka, ary tsy ny fisamborana anay akory no hamaha ny olan’ny firenena”, hoy i Jean Claude Rakotoniaina. Nisaotra tamin’ny firaisan-kinan’ny rehetra, indrindra fa ny Filohan’ny TIM Atoa Marc Ravalomanana izay nambarany fa vao naheno fa voasambotra dia nanao ny fomba rehetra azo natao nahatongavana tamin’ny fivoahana kosa i Rina Randriamasinoro. Nambarany fa efa nokendrena (ciblé) izy ireo tao amin’ny fisamborana, ary nilaza fa tsy misy antony manokana tokony nisamborana azy ireo, raha tamin’iny fotoana iny, nijoro tany aoriana ary tonga dia nobataina, nalefa nasitrika tao anatin’ny fiara. “Maneho sy manamafy aho, fa efa tafiditra tanteraka ao anatin’ny jadona ny firenena mihapotika, ka mila ny fijoroan’ny tsirairay avy mba tsy hilefitra manoloana izay zavatra miseho izay”, hoy i Rina Randriamasinoro. Taorian’ny famotorana moa, dia handeha any amin’ny fitsarana ny dosie momba azy ireo ka andrasana ny tohiny.
Toky R

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap