airtel

Politique

22-mars-2024

Mpitondra efa tsy mety tonga saina

Voaviravira ny sosialim-bahoaka

Sample post image

Efa tena ao anatin’ny fahasahiranana tanteraka ny olona maro eto Madagaskara amin’izao fotoana,

22-mars-2024

mety hoe ireo 1% sokajiana ho manan-katao sy mpanefoefo ihany angamba no tsy velon-taraina isan’andro. Fa ny ankoatra an’izay efa tena fefiky ny fahasahiranana , misy ireo tena fdiranovana, tazana ho mitombo isa isan-kerinandro ireo olona lasa mpangataka, na kely na lehibe eny an-dalana eny sy mitety mpivarotra. Tena tsy misy arapaka, tsy manana fanantenana intsony hoe mbola ho tafarina fa mangataka fitserana sisa. Any anaty fiarahamonina , eny amin’ny fokontany sy ny vohitra eny, dia hita amin’ny zavatra vidian’ny olona rehefa miantsena fa tena kely ny vola am-pelatanana. Na miasa tena , na mpiasam-panjakana, na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina dia mila tsy ahatody volana ny vola raisina. Eny anivon’ireo epicerie no ahitana fa maro ny karnie fanoratana trosa amin’ireo entana ilaina amin’ny fiainana andavanandro tahaka ny vary, siramamy, sira, menaka, labozia, paty, katsaka, voamaina…Raha manontany kely fotsiny ireo sefo fokontany ny mpitondra fanjakana foibe, ao anatin’ny 5 minisitra dia mahazo tatitra mazava tsara fa mahantra ny 90% n’ny Malagasy. Ny ilain’ireo voalohany aloha dia asa, vola, sakafo, fitsaboana, fandriampahalemana, fahafahana mampiana-janaka . Izay aloha no tena laharampahamehana amin’ireo fa tsy any amin’ny hoe teleferika, autoroute. Na ambanivolo, na ambony vohitra dia mitovy io filana fototra io ho an’ny maro an’isa eto amin’ny firenena. Fa ny fahitana ny zava-misy sy ny fihetsiky ny manampahefana, mpitondra fanjakana dia tsy mivaky loha firy amin’ny marary ny maro an’isa izy ireo. Fa raha nahafantatra dia efa 10 taona lasa no natao laharampahamehana ny sosialim-bahoaka fa tsy aty amin’ny taona 2024 vao hoe hijery ny vahoaka ; fa inona fotsiny izany no natao hatramin’izay sa manakaiky ilay fifidianana solombavambahoaka dia averimberina resahana foana indray ireo vahoaka izay efa nofitapitahana isaky ny vanim-potoanan’ny fifidianana ?
RTT
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Kaominina Ambohitrabiby, Talata Volonondry ary Ambohimalaza no notsidihin’ny kandida laharana

Card image cap
15-mai-2024

Nanao fanambarana manokana ny «miaraka amin’i Maman Olga Rajoelina»

Card image cap
15-mai-2024

Nohamafisin’ny Kaonfederasionina Afrikanina momba ny baolina kitra na ny CAF ny tsy fanomezana fankatoavana na ny

Card image cap
15-mai-2024

Tsy tokony hilavo lefona manoloana ny olana maro misy fa indrindra ny olana ara-tsosialy sy ara-toekarena

Card image cap
14-mai-2024

Solombavambahoaka sahy hitondra mankany amin’ny fanovana hisian’ny hoavy tsara kokoa no

Card image cap
14-mai-2024

Tokony hifona amin’ny vahoaka ny mpanao politika hoy Pastera Heritiana Randriarimalala,

Card image cap