airtel

Politique

26-janv-2024

Mpitondra mivadik’ondana ?

Efa maty noana ny Malagasy vao hoe ampiana ny tantsaha

Sample post image

Namerina nanambara indray ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny filan-kevitry

26-janv-2024

ny minisitra omaly fa fanamby goavana ho an’ny minisiteran’ny fambolena sy ny fiompiana ny fahavitan-tena ara-sakafo.Hisy ny fametrahana orinasa famokarana zezika sy fizarana masomboly ho an’ny tantsaha, manampy an’ireo ilay tetikasa « Ankohonana miarina », natao hanofanana ireo fianakaviana tena sahirana amin’ny lafiny ara-teknika momba ny famokarana. Tsy misy maharatsy izany rehetra izany, fa ny tena mahagaga dia ny hoe : aty amin’ny janoary 2024 ve vao tonga saina ny mpitondra fanjakana, efa nitantana teto nanomboka ny janoary 2019, ary mialohan’io dia efa nitantana tetezamita ny taona 2009 ka hatramin’ny 2014. Izao ve vao mahatsapa fa famokarana , fanodinana vokatra, fanampiana ny tantsaha no tena laharampahamehana, maro be no niantsoantso teto hoe mba jereo ny tantsaha, jereo ny resaka tany ho an’ny tantsaha, ny fanajariana ireo tany ahafahana mamokatra, saingy zavatra hafa, rendrarendra sy seho ivelany no naha maika.Nozarina nomena fanomezana sy fanampiana ny olona, hany ka lasa mihena ilay saina tia karokaroka sy mamokatra fa rehefa sahirana dia manantena hoe ho avy indray ny vary mora, menaka mora, sakafo mora. Manodidina ny 2 400 000 taonina isan-taona ny voka-bary eto Madagasikara, efa fotsim-bary io. 2 780 000 taonina anefa no filana, izany hoe misy elanelana 380 000 taonina eo izany. Ka izay ny mahatonga ny fanafarana vary avy any ivelany isan-taona, tena tsy ampy ny vokatra. Tsara ho marihina anefa fa manana tanimbary 1 300 000 ha i Madagasikara, raha io fotsiny no iaingana, tsy mbola hoe mampitomboy ny velarantany hambolem-bary ka mahavita 4 taonina isaky ny hektara dia efa 5 200 000 taonina izany. Manana ambim-bava 2 420 000 taonina isaky ny taom-pamokarana izany i Madagasikara. Tsy mila manafatra vary intsony fa mety afaka manondrana indray aza. Raha natomboka ny taona 2019 ny tetikasa fanampiana ny tantsaha, efa tena lasa lavitra i Madagasikara ary tsy nisy akory ilay resaka kapoaka Madco nampifamaly sy ny fitomboan’ny olona tratry ny tsy fanjarian-tsakafo mitarazoka. Azo itarina amina seha-pambolena hafa ihany koa io fa tsy hoe mijanona amin’ny vary fotsiny.
RTT
 

Dans la même rubrique

16-mai-2024

Hiakatra eo anivon’ny PAC na «Pole anti-corruption», izany hoe ny fitsarana miady amin’ny kolikoly,

Card image cap
16-mai-2024

𝖭𝗈𝖿𝖺𝗋𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 androany 𝟣𝟧 𝗆𝖾𝗒 𝗋𝖾𝗃𝗂𝗌𝗂-𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗂𝖺𝗇𝖺𝗇𝖺 𝗇𝖺𝗌𝗂𝗈𝗇𝖺𝗅𝗒 𝖺𝗁𝗂𝗍𝖺𝗇𝖺 𝗂𝗋𝖾𝗈 𝗅𝗂𝗌𝗂𝗍𝗋𝗒 𝗇𝗒 𝗆𝗉𝗂𝖿𝗂𝖽𝗒 𝗂𝗌𝖺𝗄𝗒 𝗇𝗒 𝖽𝗂𝗌𝗍𝗋𝗂𝗄𝖺.

Card image cap
16-mai-2024

Izany tambin-karama izany dia misy any amin’ny orinasa tsy miankina sy orinasam-panjakana,

Card image cap
16-mai-2024

Nanomboka ny alarobia 08 may ary mifarana ny alatsinainy 27 mai 2024 amin'ny sasakalina ny fampielezan-kevitra.

Card image cap
16-mai-2024

Raikitra ny tosika propagandy ankolaka ataon’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina amin’ny alalan’ny fitetezam-paritra sy fanolorana zavatra.

Card image cap
16-mai-2024

Mitaky tany tan-dalàna sy ny demokrasia ary ny fanjakana tsara tantana ny fampandrosoa na firenena izany,

Card image cap