airtel

Politique

27-mars-2024

Mpitondra mpamotika firenena

Ho avy ny famaizana sy fitsaram-bahoaka…

Sample post image

Sarotra ny hananana fanantenana fa hiova hahomby izao fitondrana misy izao.

27-mars-2024

Efa tsy misy arofanina intsony, fa manao izay danin’ny kibony sy maha diavolana ny sainy, ka na efa iaraha-mahita izao aza ny fahapotehan’ny firenena amin’ny endriny maro, dia fady izany hiaiky ny tsy fahombiazana izany, fa manao toton’ondry bory amin’izay hintsin’ny lohany eo.
MIHEMOTRA
Nodradradraina ny resaka sosialim-bahoaka tany amin’ny fanonganam-panjakana ny taona 2009 ka isan’ny tsaroan’ny rehetra tsara ny vary 500Ar ny kapoaka sy ny menaka 2500Ar ny litatra dia manao ahoana izy izao ? Ny sandam-bola io efa resahana io foana fa hatrany amin’ny 40% ny fitotonganana tao anatin’ny 10 taona, fa raha niainga tany amin’ilay 15 taona noresahan’ny Filohan’ny Antenimierampirenena dia mety efa 100%. Marina fa lanja miakatra ny fiainana, saingy ny fahapotehan’ny firenena amin’ny ankampobeny dia vokatry ny tsy fahaiza-mitantana. Ny famaritan’ny manam-pahaizana dia zavatra 3 no mahatonga ny firenena iray miha mahantra sy mihemotra, dia na tratry ny loza voajanahary mahery vaika, na nisy ady an-trano goavana, na noho ny tsy fahaiza-mitantana.
LALAOVINA AMIN’NY LAINGA
Ny rehetra izany no manao tsoa-kevitra hoe : nahoana isika no lasa firenena faha-124 amin’ny 125 amin’ny resaka hanoanana ? Nahoana no tafiditra amin’ny firenena 5 faran’izay mahantra fadiranovana? Lalaovina amin’ny lainga sy serasera ary fampanantenana poakaty hatrany sisa ny Malagasy ary toa tsy hiova amin’io fanaony io intsony ny fitondrana ankehitriny. Lasa politikam-panjakana ny mandainga sy mamitaka, ary tsy misy tahotra sy henatra, fa ny zava-dehibe dia ny hoe: mila mahazo seza sy fahefana. Tao anatin’ny 5 taonan’ny tetezamita efa namotika sy nandrava, tao anatin’ny 5 taona farany teo efa faharavana sy fihemorana no betsaka,… dia izao 5 taona farany izao ve dia heverina fa hisy fahagagana? Moa tsy efa nolaingaina isika fa ho azo ny îles eparses, tsy mila mpamatsy vola mahazatra fa hamatsy vola an’I Comores, hanao herinaratra 400MW ao anatin’ny 5 taona, hanangana ozinina mpanao simenitra amin’ny vidiny 15000Ar ny lasaka, hanavotra an’izao tontolo izao, hanao ny tsy vitan’ny fitondrana nifanesy tao anatin’ny 60 taona, hamita “autoroute” 80km hatramin’ny faran’ny taona 2023, hanangana orinasa Gascar hatramin’ny faran’ny taona 2022,… Raha hilaza fa tsy nahavita na inona na inona ny fitondrana dia fankahalana, fa ny hiteny kosa fa nahomby sy tena nahavaha ny olan’ny Malagasy dia tena fanompana vahoaka an-kitsirano. Moa tsy ny afera maloto samihafa, fanjakana tsy tan-dalàna, mpitondra maro mandroba firenena,… no nisongadina teto. Ho avy indray io ny fifidianana dia handeha ny kizarazara sy kitolotolotra hanakonana ny tsy fahombiazana marolafy: làlana potika, orinasam-panjakana rava, vahoaka difotry ny fahantrana, vidim-piainana midangana, sandam-bola mitotongana,… Ny vahoaka sisa no entanina sy andrandraina hifoha hanafay sy hitsara ny mpitondra na ho ela na ho haingana, fa raha ny fitondrana ankehitriny toa efa tonga amin’ilay vazivazin’ny mpanara-baovao hoe: na efa tratranao mitaingim-pasana izao aza mety mbola holazainy fa mitady “réseau”?
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Notanterahina omaly teny amin'ny Gara Soarano ny lanonana politika fametrahana samboady ireo

Card image cap
24-juil-2024

Mitady minisitra volamena tonga dia tsy kosehina intsony fa avy dia mitondra fahazavana

Card image cap
24-juil-2024

Tsy mahafaty ny mahatsikaiky! na koa hoe «Le ridicule ne tue pas!»,

Card image cap
24-juil-2024

Aiza sy nankaiza ny Filohan’ny Delegasionina manokan’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra Atoa Ramanambitana Richard ?

Card image cap
24-juil-2024

Efa mitovy salan’isa amin’ireo tantsaha mpamokatra eto amintsika izany hoe :

Card image cap
24-juil-2024

Mbola vitsy ireo vehivavy misahana andraikitra ambony na miantsehatra eo amin’ny

Card image cap