airtel

Politique

12-mars-2025

Mpitondra tsy mahomby, Firenena tsy atokisana

Ny demokrasia mihemotra, ny fandriampahalemana tsy misy

Sample post image

Tafiditra ao amin’ny sokajy fitondrana "hybride", izay manambatra ny demokrasia amin'ny

12-mars-2025

fifidianana sy fironana tsy refesi-mandidy I Madagasikara, araka ny tatitry ny Economist Intelligence Unit na EIU. Firenena 167 no nanaovana fanadihadiana sy fanaraha-maso mikasika ny fivoarana sy ny fanajana ny demokrasia maneran-tany, ka nametraka antsika ho laharana faha-83 amin’ny 167, izay voalaza fa nihemotra, tsy nahazo isa afatsy 5,33 amin’ny 10, raha ny taona 2006 isika no tsara naoty indrindra teo amin’ny 5,83. Firenena Afrikanina 28 no sokajiana ho fitondrana tsy refesi-mandidy, anisan'izany Seychelles, Soudan Atsimo ary Somalia. Firenena 16, anisan'izany Madagasikara, no tafiditra amin’ny sokajy "hybride", raha 6 kosa no manana fitondrana tsy lavorary. Firenena iray monja, dia Maurice, no heverina ho manana demokrasia tonga lafatra eto Afrika. Araka ny tatitry ny Economist Intelligence Unit, 45% amin’ny mponina eran-tany ihany no miaina ao anatin’ny fitondrana demokratika, raha 39% kosa mbola miaina amin’ny fitondrana tsy refesi-mandidy ary 15% ao anatin’ny fitondrana hybride. Voasokajy ao anatin’ny ratsy toerana i Madagasikara, ka sady efa mihemotra amin’ny demokrasia no tsy misy fandriampahalemana. Vao avy niatrika fanadihadiana tany Genève ny volana janoary teo mikasika ny tsy fanajana zon’olombelona sy demokrasia ny Fitondrana Malagasy. Anisan’ny noresahan’ny Minisitry ny filaminam-bahoaka Contrôleur général de police Herilala Rakotoarimanana ireo tranga mampivarahontsana manamaloka ny fandriampahalemana sy ny fidirana an-tsehatry ny mpitandro ny filaminana amin’ny fampiasana fitaovam-piadiana : vehivavy 4 nalaina an-keriny sy novoina tamin’ny fomba feno habibiana, ny tsy fandriampahalemana maharitra an-tanàn-dehibe noho ny jiolahy mirongo fiadiana, ny jiolahy mahavita mihantsy ny mpitandro filaminana sy mamono ankitsirano, ny fanafihana misy fandoroana tanàna sy fahafatesana olona, ny fakana an-keriny ankizy miampy fanolanana,… Nambara fa voafehy ary tao anatin’ny ara-dalàna ny fampiasana fitaovam-piadiana. Azo lazaina ho fihaikena io fa tsy milamina ny tany, ary voatery mampiasa hery ny Fanjakana. Taorian’iny, niseho ny raharaha famonoana ny ben’ny tanànan’i Mangataboahangy, ny famonoana ireo Koreanina 2 tany Amboasary Morarano Gara, ny famonoana an’i Tahina tao Toamasina,… Na vazaha na Malagasy, na mahantra na manan-katao,… samy lasibatra. Zary lasa Firenena tsy atokisan’ny olona isika noho ny tsy fandriampahalemana, tsy fananana antoka ara-pandraharahana sy fampiasam-bola, kolikoly. Tsy mahatafavoaka baolina ny Fanjakana Rajoelina, ka anisan’ny porofo mivaingana ny resaka IDE (Investissement Direct Etranger) ohatra, dia 415 tapitrisa dolara tombanana ho an’ny taona 2023, ambany lavitra noho ny haavon’ny IDE tamin’ny taona 2008 izay nahatratra 1,392 miliara dolara, ary mbola tsy nisy nahatratra hatramin’izao, araka ny nambaran’ny Rafitry ny Firenena Mikambana ao amin’ny « Vision prospective de Madagascar » ny jolay 2024 teo.
Toky R

 

Dans la même rubrique

17-mars-2025

Mpanao politika, mpikatroka TIM, Filohan'ny Delegasiona manokan'ny Tanànan'Antananarivo Renivohitra

Card image cap
17-mars-2025

Ankoatra ny fahatsiarovana ny tolom-piavotana tamin’ny 1947, anisan’ny ahatsiarovana

Card image cap
17-mars-2025

Raikitra ny rombo, nandriaka ny ra noho ny antony ara-politika tao amin’ny Kaominina

Card image cap
14-mars-2025

Miankina amin’ny mason-tsivana moa no antony ilazàna hoe nitotongana na tsia ny demokrasia

Card image cap