Midika fa mahalala tsara ny zava-misy na ara-politika na ara-toekarena na ara-tsosialy eto Madagasikara izy, raha raisina amin’izany. Tonga nanao fitsidihana fanaovam-beloma ny Praiminisitra Ntsay Christian teny Mahazoarivo ity diplaomaty ity omaly 16 martsa. Nifantohan’ny fihaonan’ny roa tonta ny jery todika mahakasika ireo fiaraha-miasan’i Madagasikara sy ny Vondrona Afrikana. Manoloana ny toe-draharaha misy eto, naneho ny faniriany ny hisian’ny fitoniana sy filaminana eto amin’ny firenena, indrindra fa amin’ny lafiny politika mba ahafahana miroso lalindalina amin’ny lafiny fampandrosoana Rtoa Hawa Ahmed Youssouf. Nandefa hafatra manokana ho an’ireo mpanao politika mba tena ho tonga saina sy hijery ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka sy ny firenena. Tetsy andaniny, nanome toky ny amin’ny hijerena akaiky ny fanomanana sy ny hanatanterahana ny fifidianana ny Lehiben’ny governemanta.
Toky R
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny