airtel

Politique

09-févr-2023

Politique

Naivo Raholdina Mandetika mafy ny Minisitry ny mponina

Sample post image

Tao anatin’ny fahatsiarovana ireo namoy ny ainy ny 7 feboary 2009 sy ny fambolen-kazo ny antoko politika TGV teny Masindray,

09-févr-2023

izay nandraisan'ny TGV Boriboritany faha 5 an-jatony anjara no nanehoan'ny solombavambahoaka Naivo Raholdina fisaorana manokana ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina, tamin'ny fandraisany an-tanana sy fametrahany ho laharam-pahamehana ny sosialim-bahoaka. Anisan'ireo filoham-pirenena nahavita sosialy be indrindra ny filoha Andry Rajoelina na tamin'izy mbola tsy ben'ny tanàna sy filoham-pirenena fa mbola olon-tsotra Andry TGV, hoy I Naivo Raholdina. Efa mpanao Asa sosialy izy. Betsaka ny foto-drafitr'asa vita ary ireo izay efa natomboka dia ho vitaina hatramin'ny farany. Ireo izay mbola tsy natomboka kosa dia ahato aloha fa omen-danja manokana ny sosialim-bahoaka. Noho ny tsy fahavitan'ny ministry ny mponina miahy ny sosialim-bahoaka ny veliranon'ny filoham-pirenena izay ijerena manokana ny fiainan'ny mponina sahirana no anisany antony lehibe nanaovan'ireo solombavambahoaka mpomba ny fitondrana sonia tamin'ny fitsipaham-pitokisana izay najanon'izy ireo. Mikaikaika loatra ny vahoaka fa tsy misy andraikitra raisin'ny ministry ny mponina amin'ny fanampiana ireo tena sahirana, indrindra, ireo eto Antananarivo renivohitr'i Madagasikara ka lasa ny filoha no voatonotonona. Ankehitriny, rehefa tsy nisy ny fanovana ireo minisitra sasany tsy mahomby toy ny ministry ny mponina dia noraisin'ny filoham-pirenena an-tanana mihitsy ny fitsinjovana ny sosialim-bahoaka ka dia nanamafy hatrany ny solombavambahoaka fa manohana hatrany ny fampandrosoana entin'ny filoha Andry Rajoelina, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap