politika TGV na Tanora malagasy vonona eny amin’ny boriboritany fahadimy, Naivo Raholdina, omaly nandritry ny fizarana ny anjaran’ny boriboritany faha 5 amin’izany tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe. Fokontany miisa 4, hoy izy, ho amin’ny anio (TTF: omaly) no nizarana izany indray dia Ambohidahy Akadindramamy, Ankerana Ankadindramamy, Andraisoro, Ampanitokana. Miisa 1600 teo no nisitraka izany. Samy hahazo ny anjarany daholo ny fokontany 27, hoy hatrany izy. Eo amin’ny lafiny politika dia nanamafy ny tenany fa tsy tokony hiheritreritra mihitsy ny vahoaka malagasy na dia iray segondra aza fa tsy hirotsaka ho fidiana fanindroany ny filoham-pirenena ankehitriny, Andry Rajoelina. Betsaka, hoy izy, ny adidy mbola tsy vita sy ny fanohizana ny efa vita tokony ho tanterahana. Efa milamina tanteraka ny momba ny fifidianana ary tsy maintsy hiroso amin’ny fifidianana isika. Antoko iray lehibe ary misy fitsipika ny TGV. Ny IRD dia vovonana misy fitsipika. Tsy teo amin’ny fitondrana aza i Andry Rajoelina nandresy. Maika ve fa efa niasa? Mety misy ny miala fa io tonga amin’ilay fitenenana hoe ny eo miala, ny eo miditra. Raha 10 no niala, 100 no niditra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny