airtel

Politique

10-mars-2023

Politique

Naivo Raholdina mivady “Solombavambahoaka hatrany no ho ataonay”

Sample post image

23 taona amin’ity 2023 ity no nanaovan-dRamatoa Hanitriniala Raholdina mivady asa sosialy raha 16 taona no naha ara-panjakana ny Fanantenana FAFIV, hoy ny fampitam-baovaon’ity fikambanana ity.

10-mars-2023

Miaro sy manasoa vahoaka no filamatra ary “Aza manao kely tsy mba mamindra”, hoy ny fanazavana. Mitohy foana izany fanampiana ny tena sahirana izany, indrindra, amin’ny 8 martsa toy izao. Taorian’ny tafatafa sy hafatrafatra teo amin’ny samy vehivavy niarahana tamin’ireo mpamafa lalana na RF2 an-jatony sy mpanasa lamba an-jatony dia nisy ny fanomezana toy ny vary, menaka, voamaina, savony, koveta sy ny maro hafa ary akanjo fitafy sy bodofotsy ho an’ny mpitsindroka fako ary amin’ny maha boriboritany fahadimy azy dia nisy ny mofomamy mitam-pihavanana no nanatanterahana ny 8 martsa tamin’ity taona ity. Vehivavy tia mifampitsinjo no filamatra tamin’ity taona ity. Nanamafy ny solombavambahoaka Naivo Raholdina izay filoha mpanorina ny FAFI V sy ny vadiny, Hanitriniala Fanantenana, izay filohan’ny fikambanam-behivavy Fanantenana FAFI V fa hotohizana hatrany ny asa sosialy izay fanaony ary solombavambahoaka hatrany no ho ataonay mivady fa tsy mila toeran-kafa toy ny minisitra na hafa izahay na dia manana ny fahaizana sy traikefa amin’izany aza, hoy hatrany ny depiote Naivo Raholdina.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra

Card image cap
28-mai-2025

Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,

Card image cap
28-mai-2025

Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny

Card image cap
28-mai-2025

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny

Card image cap
28-mai-2025

Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny

Card image cap
28-mai-2025

Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny

Card image cap