airtel

Politique

28-août-2023

Naivo Raholdina

“Raha iray no miala, zato no miditra!”

Sample post image

Ho lany indray ny filoha Andry Rajoelina dia ho avy daholo indray ireo mpijapy masinina ireo, hoy ny depiote Naivo Raholdina,

28-août-2023

raha nanontaniana mikasika ny raharaham-pirenena ny sabotsy teo taorian’ny famangiana fahoriana ireo zazavavy maty miisa 2 teny Ankerana noho ny tosika nahazo azy ireo nandritry ny fanokafana ny lalaon’ny nosy teny Mahamasina ny zoma. Mbola anaty hery tsara ny fitondrana sy TGV, hoy izy. Raha iray no miala. Zato no miditra. Izay te hanohana ny filoha Andry Rajoelina manomboka izao dia midira TGV! Tsy nisy TGV niala na iray aza. Ny IRD tadidio fa vovonana! Mbola zazakely izahay no nisy an’izany hoe Vondrona iray tsy mivaky izany fa vaky izy izao. Na ny vakiny aza tsy hita intsony. Aza gaga isika mahita ireny mpanao politika miala ireny! Aleo izy hiala! Izaho dia faly mihitsy. Tsy TGV ny rahalahintsika Idealson. Izay no maha ratsy ity vovonana ity. Izao tanaty vovonana Mapar fa nanao TGV amin’izay rehefa lasa nisy Mapar 1, Mapar 2. Aza taitra isika vahoaka malagasy. Tsy teo amin’ny fitondrana aza izahay nandresy! Tsy misy mizara vola ao amin’ny TGV. Nomen’ny HVM 2,5 miliara izahay izao fa tsy nandray. Ho atao minisitra, filoha lefitry ny antenimieram-pirenena fa tsy nanao aho. Tsy Raholdina daholo ny olona. Misy miteny hoe likiliky na “frustré”. “Frustré” amin’ny inona? Amin’ny veliranon’i Andry Rajoelina vita ve? Mbola sahy miteny izahay fa nisy andian’olona ary izahay mangataka fanadihadiana. Nisy nanosika ireo ankizy maty teny Mahamasina ireo. 3 mianadahy izy dia tampotampoka teo nisy nanosika. Isaorana an’Andriamnitra ny iray fa velona. Olona tsy tokony ho faty ireo. Rehefa nihidy io dia tsy tokony nisy olona niditra intsony. Misy andian’olona nitarika an’iny. Diso fanantenana ny mpanohitra fa tena tian’ny vahoaka ilay lalaon’ny nosy. Nisy kamera teny nahita ilay olona nitarika. Maneho ny fiaraha-miory amin’ireo namoy havana izahay eto ary mankahery hatrany ireo mbola tsy salama. Avy eto moa izahay dia ho eny Anjanahary IIO satria miisa 3 no namoy aina teto amin’ny boriboritany fahadimy. Misy fokontany miisa 4 toy ny ao Morarano koa mbola ahitana marary eny amin’ny hopitaly. Miara-ory amin’izay ory ary miara-paly amin’izay faly izahay, hoy hatrany ity depiote voafidy tao amin’ny boriboritany fahadimy ity.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Fahita eran-tany ny tolona hitakiana fanovana izay mety miseho amin’ny endriny samihafa.

Card image cap
07-févr-2025

Efa ho roa volana aty aorian’ny fifidianana , io mipoitra io daholo ny tsy fetezana sy ny

Card image cap
07-févr-2025

Marihina anio Zoma ny datin’ny 07 Febroary, fahatsiarovana ny nisian’ilay vono olona narahina fitifirana

Card image cap
07-févr-2025

Mitsoka ny tsio-drivotra politika ao Tsimbazaza amin’ny mety hanonganana amin’ny

Card image cap
07-févr-2025

An’iza ny tanàna, hoy ny fanontaniana napetraky ny ben’ny tanànan’Antananarivo vaovao, Harilala Ramanantsoa,

Card image cap
06-févr-2025

Adihevitra etsy sy eroa , any anaty fiarahamonina sy toeram-piasana ny hoe : efa tena izao no mahazo

Card image cap