Tsiahivina, hoy ny filohan’ny vaomiera mpanadihady ny aditany miverimberina izay eny anivon’ny antenimieram-pirenena, ny depiote Naivo Raholdina, fa ny minisiteran’ny fanajariana ny tany, ny minisiteran’ny fitsarana, izay nahitana minisitra voalohany nandefa fialan-tsiny ary nampiseho fa tena tsy teto ary niangavy hoe aleo mba izaho mihitsy no ho any no isany nantsoinay. Tsy manana olana izahay ary misaotra azy manokana aho, hoy I Naivo Raholdina. Ny SEG no fahatelo. Ny valala moa misy, ny mpihaza mahay ary dia nihevitra izy fa asam-baomiera ilay izy ka izay no antony nandefasany tekinisianina fa tsy sanatria fanambaniana akory. Nanangana filankevitra teny Analanjirofo moa izy dia nifampiantso izahay mirahalahy ka nilaza an’izay tamiko ho antony nandefasany lehibena sampan’asa na “chef de service” izy. Nanazava koa izahay hoe tsy “chef de service” no ilainay satria misy amin’ireo aza nahazoanay fitarainana. Fahaefatra ny minisiteran’ny tetibola ary isaorana ny minisitra fa io resaka fandraketana na “enregistrement” io koa no mampihisatra ny fitsarana. Ny minisitry ny filaminana anatiny no fahadimy izay mbola andrasanay hatreto ny valinteny avy any aminy. Ireo minisitra 2 voalaza farany ireo izany sisa andrasanay satria mikasika ilay resaka “enregistrement” teo izao ka ohatra hoe nividy tany 10 tapitrisa ariary ilay olona dia ny 6 tapitrisa resaka “enregistrement” fotsiny. Tsy manana olana amin’ireo minisitra rehetra ireo I Naivo Raholdina ary mbola hanao tatitra izahay amin’ny fanadihadiana parlemantera, hoy hatrany ny tenany. Tafita amin'ireo mpanantanteraka ireo ny fitarainan’ny vahoaka mahakasika aditany miantefa manokana amin'izy ireo, hoy ny fanomezan-tokin’ity vaomiera ity. Ny ministry ny fitsarana dia niantso ny solombavambahoaka hitondra ireo raharaha fitarainana momba ny aditany aminy ary nanentana mafy ireo solombavambahoaka ahasahy hilaza ampahibemaso ireo mpanao kolikoly na mpitsara izany na olona ambony hamongorana hatrany ifotony ny olan'ny aditany vokatry ny didy avoakan'ny fitsarana sy ny fitsarana miangatra hataon'ny mpitsara sy ny maro hafa. Ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandarimariam-pirenena koa dia nampanantena handray andraikitra izay tandrify azy, raha ny fampitam-baovao voaray omaly hatrany.
J. Mirija
Legende: Naivo Raholdina sy ny vaomierany nandray ny SEG sy minisitry ny fitsarana
Fa maninona ny malagasy no tsy mahatoky mpanao politika intsony ? Fanontaniana isan’ny mipetraka amin’izao vaninandro iainantsika izao io.
Mila omena masomboly, zezika, tany azo hajariana ny tantsaha, hoy ny filohan’ny repoblika, Andry Rajoelina, tany Dakar, Senegal. Izay, hoy izy, no tokony atao ho fampiakarana ny famokarana eto Madagasikara.
Niseho ampahibemaso tetsy amin’ny Hotely Mahatehotia Mandrimena Iavoloha omaly 26 janoary 2023 ny Hetsika LERA, izay ivondronana olom-boafidy toy ny depiote sy ben’ny tanàna ary mpanolontsaina monisipaly,
Tandremo,tandremo sao ho voafitaka isika vahoaka malagasy fa amin'io "lera miala Rajoelina " teny amin’ny Espace Mahatehotia io fa mbola Rajoelina no ao ambadik'io, hoy ny mpanao politika, Henry Rakotomalala na Riribe.
Dimy andro mialohany hahataperan’ny fanalavam-potoana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana, 9 040 501 no tafiditry ny CENI
Nilaza ny ahiahiny ny amin’ny mety tsy fahampian’ny tetibola ka tsy ahafahana mikarakara ny fifidianana ny eo anivon’ny CENI,