hoy ny solombavambahoaka, Naivo Raholdina, teny Tsimbazaza omaly. Efa miisa 104 moa ny sonia voaangona hatramin’ny tamin’ny 2 ora sy 30 teo tamin’iny omaly iny. Lazaina foana, hoy ity solombavambahoaka ity fa misy vola zaraina ao ambadiky ny tahaka izao. Tsy nisy vola nomena ireo depiote nanao izany fa tena "volonté" na nahim-pon’ny tsirairay avy noho ny fahitana ny tsy fandehanan'ny raharaha amin'ny minisitera sasany no anton’izao. Resy lahatra amin’izany daholo izahay depiote IRD sy depiote maro. Efa ela aho no niteny an’io fa tsy vao izao ary tadidinareo tsara angamba ny nampiakarako feo matetika farany teo mikasika ny fomba fiasan’ny minisitry ny fitsarana sy ny minisitry ny mponina. Isika manao “building” nefa ny vahoaka mbola misy matory anaty tonelina. Misy tsy milamina ao no dikan’izany, hoy hatrany ity solombavambahoaka ity.
J. Mirija
hahantra fadiranovana sy tsy handroso izany fa tena miankina amin’ny safidy sy fanapahan-kevitra
Manoloana izao fahasahiranam-be mahazo ny firenena sy ny vahoaka izao,
Mena ny tondro rehetra ary ambony risika mety hisian’ny fipoahana ara-politika eto vokatry ny krizy amin’ny
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy tao amin’ny foiben’ny Dubaï Chambers ny
Miantoka ny fandehanan’ny fiainan’ny mponina eny ifotony ny
Nanatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy tao amin’ny tanànan’i Morondava ny