airtel

Politique

23-juin-2023

Politique

Namory ny OMC Nat ny Praiminisitra « Mila filaminana sy fitoniana isika

Sample post image

Namory ireo OMC Nat ahitana ny avy amin’ny Mpitandro filaminana, fitsarana, ary ny lafin-tany ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta omaly.

23-juin-2023

Voalaza fa nahatratra 4 ora mahery ny dinika nifanaovana. Tanjona ny hisian’ny fitoniana indrindra amin’izao vanim-potoana akaiky fifidianana izao ahafahan’ny Malagasy manontolo hanao ny asa andavanandro tsy hokorontanin’ny fiainam-pirenena, hoy ny Praiminisitra Ntsay Christian. Niantso ny Malagasy hankalaza ny fetim-pirenena ao anatin’ny Fiombonana sy ny fitoniana. Firenena manana ny maha izy azy ka fotoana hanehoana izay fitiavana izay, hoy hatrany io Praiminisitra io izay nilaza fa tsy mahasoa ny fanakorontanana firenena. Nandinika sy namakafaka ny famerenana ny fandriampahalemana, ary niantso ny mpanao politika hanaja ny soatoavina. Nilaza ny Praiminisitra fa betsaka ny ady natao tamin’ny trafika, asan-dahalo,… Nisy noho izany ny fanapahan-kevitra maro noraisina mba hisian’ny fandriampahalemana na ambanivohitra na ambonivohitra. Henjana ny zava-misy na an-tsaha na an-tanàna amin’izao, ary tsy misy tsy mikolay. Mafampana ihany koa ny politika. Midika fa tsy tongatonga ho azy ny fivorian’ny OMC Nat omaly.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap