airtel

Politique

03-avril-2023

Politique

Nampianarin-dRajao fitantanana ny fanjakana

Sample post image

Aza afangaro ny sorabola sy ny vola am-pelatanana »

03-avril-2023

Nasehon’ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina omaly nandritra ny fandaharana manokana tao amin’ny fahita lavitra Real TV fa mpahay toekarena tokoa izy.Mampieritreritra ny zava-misy, mahoraka be hoe sahirana ara-bola ny fanjakana, saingy rehefa miresaka ny manampahefana dia tena hoe milamina be ny fiainana eto.Misy ihany anefa ny olana, tsy tonga hanatsikera ny zavamisy fa any amin’ny vokatra no jerena, hoy i Rajaonarimampianina.Ohatra eo amin’ny « taux d’exécution budgétaire » na ny tahan’ny fandaniana araka izay voasoratra ao amin’ny tetibolam-panjakana dia hitanao hoe tsy mandeha ny raharaha.
TETIBOLA, FONDS SOUVERAIN
Toa mifangaro ny « Budget » sy ny « Trésorerie » , ny dikan’izany dia tsy hoe rehefa hita an-tsoratra amin’ny taratasy ilay maribola dia hoe tonga dia ao am-paosinao izany ilay izy, tandremo fa mahavery izany.Izay afafinao ihany no jinjainao fa tsy misy mazia io. Momba ny « Fonds souverain » nilokalokan’izao fitondrana Rajoelina fa apetraka izao kosa dia nampantsiahy i Rajaonarimampianina fa fahita any amina firenena izay tena manana ambim-bava be eo amin’ny lafiny ara-bola izany.Apetrany amina zavatra hafa mba hakany tombony ilay vola.Ry zareo any Norvège izao no tena henjana amin’io satria dia maherin’ny 1000 miliara dolara ny azy ny « fonds souverain » , ny faharoa dia ry zareo Sinoa, manomboka manana be an’io « fonds souverain » io ihany koa ry zareo Arabo mpanana solika. Mahita ireo firenena 3 ireo fotsiny dia efa mahagaga sy mampametra-panontaniana, hoy i Hery Rajaonarimampianina hoe : fa vola avy aiza, tombom-barotra avy amin’ny inona moa izany no hoe ataontsika eto Madagasikara anaty fonds souverain ? Hajao ny lalàna sy ny fitsipika, aleo mangarahara tsara ny zava-drehetra, mila fahaiza-mitantana isan-tsehatra raha tena te hampandroso firenena.Rehefa mametraka laharampahamehana dia mila jerena tsara hoe fampiasam-bola miteraka asa, miteraka tombotsoa ho an’ny firenena no atao, hoy ity filoha teo aloha ity. Raha ilay tahan’ny fidangan’ny vidim-piainana 11,4% eto Madagasikara amin’izao fotoana kosa dia mila jerena hoe aiza marina no tena marary ny vahoaka, inona no paikady avy amin’ny fanjakana iatrehana izany fa efa tena mafy be izany, hoy izy.

TSY HANONGAM-PANJAKANA
Tsy Rajaonarimampianina mihitsy no hitarika olona eny an-dalambe ka hoe andao hanongam-panjakana, resaka hafa indray raha toa ka ny vahoaka no mirohotra..resaka hafa izany, hoy ity filoha teo aloha ity. Mila mitandrina isika, aoka tsy hamaly ratsy ny ratsy na hiroboka amina resaka fankahalana fa zava-doza ary tsy mahalasa lavitra izany, hoy ny teniny. Eo amin’izay resaka politika izay ihany dia notsoriny hoe : « tena nihaona sy niresaka izaho sy Atoa Ravalomanana tany Frantsa, tafahaona ihany koa izahay rehefa tonga taty Madagasikara aho.Ny politika sy ny fanaovana politika anie miovaova sy mivoatra e, tsy tahaka ny hoe hazo nambolena io ka eo dia eo…fa ny namanao omaly mety tsy ho tafiaraka aminao intsony anio, ny nifanditra taminao androany mety ho namanao rahampitso.Fa izao no tena zava-dehibe : mila jerena izay hevitra hampandroso ny firenena, misy olona mety tsy netinety taminao ny heviny taloha fa nivoatra izany taty aoriana dia mety mifanojo ny fomba fijery . Na ianao manokana aza mety mahatsapa hoe tsy mety , na tsy ampy izany hevitro izany dia manitsy ny dia ianao. »
Nangonin’i RTT

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Mitohy hatrany ny fitsidihana sekoly eto Fianarantsoa sy ny manodidina, tanterahin'i Docteur Marie Michelle

Card image cap
19-avril-2024

Nolaniana ny didim-panjakana laharana faha 2024-959 manova ny andininy sasany

Card image cap
19-avril-2024

Tontosa omaly alakamisy 18 aprily 2024 tao amin'ny Lapan’ny Antenimierampirenena ny

Card image cap
19-avril-2024

Hita ho mbola niara-nitokan-javatra tamin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina,

Card image cap
18-avril-2024

Kandida avy amin’ny antoko AREMA miisa 25 no tsy afaka mandray anajara amin’ny fifidianana ho

Card image cap
18-avril-2024

Nanahirana ny nikarakara ny taratasy filatsahan-kofidiana solombavambahoaka tamin’ity,

Card image cap