airtel

Politique

13-juil-2023

Politique

Nampitandrina i Ravalomanana “Atsaharo ny sakana, tsy hanaiky hala-bato izahay,…”

Sample post image

Tsy niandry ela, fa nisy avy hatrany ny fanambarana nataon’i Marc Ravalomanana omaly 12 jolay 2023, ampitson’ny namoahan’ny governemanta didim-panjakana miantso ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana

13-juil-2023

filoham-pirenena ny 09 novambra. Izy izay efa nanambara ofisialy ny 01 jolay teo, ary nohamafisiny izany. Nambarany fa miditra ao anatin’ny fotoam-pifidianana amin’ny fomba ofisialy i Madagasikara. Vanim-potoana sarotra sy mamparefo ny fiainam-pirenena amin’ny lafiny rehetra anefa ny fotoana io, ka mila fitandremana sy fandraisan’andraikitra mba hitandroana ny filaminana sy ny firaisam-pirenena, hoy izy. Nahitsy i Marc Ravalomanana nilaza fa tokony ho maodely sy ho ohatra ho an’ny rehetra amin’izany fanarahan-dalàna sy fanajana ny zon’ny rehetra izany ny governemanta ; tokony hanome toromarika mazava sy hentitra ho an’ireo Mpiasam-panjakana sy manam-pahefana rehetra mba tsy hiandany sy hitanila ka hampiasa ny fahefana sy ny fitaovam-panjakana eo am-pelatanany hanohanana antoko na Kandida ny Praiminisitra amin’ny maha-lehiben’ny Fitondrandraharaham-panjakana (Chef de l’Administration) azy ; tokony handray ny fepetra rehetra ny Fanjakana hiantohana ny fahalalahan’ny Antoko hanatontosa hetsika sy famoriam-bahoaka milamina hanomezana fanabeazana ara-pifidianana ny vahoaka sy fanentanana ny fiainana ara-politika. « Hatsaharo amin’izay ireo sakatsakana sy fampihorohoroana amin’ny endriny rehetra atao amin’ny Antoko Mpanohitra mba hametrahana tontolo manodidina milamina hiatrehana ny Fifidianana », hoy i Marc Ravalomanana.
TSY ARA-DALANA ILAY 200 TAPITRISA ARIARY
Momba ny lalàna, satria tsy nisy hoy izy ny fanatsarana ireo didy aman-dalàna mifehy ny Fifidianana eto amintsika na dia teo aza ny antso nataon’ny Mpisehatra maro na ny avy eto an-toerana na ny avy any ivelany, dia anjaran’ny CENI ny mandray ny andraikiny mikasika ny tsy fanarahan-dalàna hita sahady amin’ireo Didim-panjakana mifehy ny Fifidianana noraisina. « Raha ny andininy faha-47 ao amin’ny Lalampanorenana no jerena dia Fifidianana mialohan’ny fotoana (Election anticipée) ity Fifidianana hatao ity. Noho izany, araka ny andininy faha-09 ao amin’ny Lalàna Fehizoro laharana faha-2018-009 mifehy ny Fifidianana Filohampirenena dia ny fandraisan’anjara na « caution » tamin’ny Fifidianana teo aloha ihany no tokony ampiharina. Tsy mifanaraka amin’ny Lalàna velona arak’izany ny fanovàna ny “caution” ho lasa 200 tapitrisa ariary, hoy I Marc Ravalomanana. Nampitandrina hatrany ireo mikasa hanao teti-dratsy ara-pifidianana, ka niantso ny CENI handray fepetra amin’izany sy nilaza fa tokony hanohy ny fomba fiasa mangarahara sy mampandray anjara ny rehetra amin’ny alalan’ny fametrahana ny sehatra ifampidinihana sy ny fanomezan-danja ireo ho solotenan’ny Kandida eo anivon’ny CENI sy ny rantsamangaikany io vaomiera io. “Handray ny fepetra rehetra ihany koa anefa izahay hiarovana ny marina sy ny rariny, hisorohana sy hanoherana amin’ny herinay rehetra izay mety ho tetika sy hosoka hamadihana ny tena safidim-bahoaka marina. Miantso ny rehetra izay vonona hiara-dia sy hiasa hiaraka aminay izahay hiomana, ho vonona ary ho sahy hiatrika ny zotram-pifidianana rehetra : hiomana ny hifidy ho vonona ny handatsa-bato ary ho sahy hiaro ny safidy”, hoy I Marc Ravalomanana, izay nanome toromarika samihafa toy ny fananganana ny KMMR, fampahafantarana ny vinam-piarahamonina,…
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap