airtel

Politique

25-sept-2023

Nanamarika ny tantaram-pirenena ny MAFAMI

“Tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana”

Sample post image

Notontosaina tetsy amin’ny Batou Beach Ambohimanambola ny sabotsy teo ny hetsika Fiesta 2 izay

25-sept-2023

fihaonamben’ireo mpikamban’ny MAFAMI na Mpianatra ambaratonga ambony, mpiasa, mpandraharaha, maintimolaly avy amin’ny faritanin’Antananarivo miray. Ho marika izao, hoy ny filohan’ny fikambanana, Manoa Laza Ratovomaherison, fa mbola velona sy miaina ny fikambanana na dia natoritory aza teo ary zava-dehibe ao anatiny koa ny famondronana sy fampiraisana hina ny mpikambana rehetra. Manao asa sosialy isan-karazany, hoy izy, ny fikambanana ary mifantoka amin’ny fanampiana ireo mpianatra eny amin’ny ambaratonga ambony sy ny ray aman-dreny. Fifaneraserana, fifampizarana, fifankahafantarana eo amin’ireo mpianatra sy raiamandreny samy efa zanak’Antananarivo tao anatin’izay 45 taona niorenan’ny MAFAMI izay no tena zava-dehibe. Eo koa ny fifanoroana lalana na ny lafiny ara-kasa na fianarana eo amin’ireo mpikambana. Nanamarika ny tantaram-pirenena ny MAFAMI na tsy manao politika aza. Niorina teny amin’ny anjerimanontolo ny fikambanana ka manana anjara toerana lehibe ao ny ambaratonga ambony. Efa nanome sosokevitra foana izahay nanoloana ireo olan’ny oniversite. Nametraka foana izahay hoe tsy misy tsy vitan’ny fifampiresahana ny zavatra rehetra. Vonona hifanome tanana foana izahay amin’ny lafiny rehetra na ny mahakasika ny firenena na ny anjerimanontolo, hoy hatrany ny MAFAMI.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap