airtel

Politique

04-janv-2023

Politique

Nanana 10 taona Rajoelina saingy tsy nahomby Efa any ivelan’ny fitondrana ny ilan-tongony

Sample post image

Raha taonan’ny fandresena sy fihariana, ary hanakaikaizana ny vahoaka no nambaran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina fa hamaritana ny taona 2023 araka ny fijeriny,

04-janv-2023

dia toa hafa mihitsy ny sary politika mety hiseho, raha tarafina amin’ny fiainam-pirenena. Azo heverina ho kihon-dàlana hitsimbadihan’ny tantara hikatsahana ny tsara kokoa amin’ny fitantanana firenena ity taona ity, tsy mbola ho taonan’ny fampiesonana manara-penitra sy fialana bala, ary fivadibadihana amin’ny toky sy fampanantenana natao. Misy ny mpanao politika sy vovonana politika efa maneho, fa ho taonan’ny tolom-piavotana ity taona 2023 ity satria ela izay niaretana sy nihafiana izay. Betsaka no milaza mahitsy fa efa ampy izay 10 taona nomena ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny Fanjakana volomboasary notarihiny izay, ka rehefa tsy nahay sy tsy nahavita nanaporofo ny fahaiza-mitantana sy mampandroso firenena tao anatin’izany, dia efa tonga amin’ilay fitenenana hoe: “akoho tsy naneno ohatr’izay efa lanin’ny kary”. Efa tsy taonan’ny fampantenana hoe amin’ny 2027-2028 ho tahaka izao sy izao, fa efa fotoana fandrefesana hoe: nandroso sa nihemotra ny firenena taorian’ny fakana fahefana amboletra tamin’ny 2009 hatramin’izao? Nanao ahoana ny fari-piainan’ny vahoaka tamin’izany sy amin’izao? Nanao ahoana ny tao anatin’nyy 4 taona mahery nitantanana nanomboka ny 2019? 7 na 8 volana eo sisa hitantanana ka fahagagana inona no ho hita amin’izany? Ny manahirana mantsy, toa fitanisana olana sy fialana bala tahaka ny krizin’ny coronavirus efa nanomboka tamin’ny 2019 sy ny ady any Ukraine efa ho herintaona latsaka iray volana eo no tanisaina lava fa sakana tamin’ny velirano. Lazaina fa tsy vita iray na roa na telo taona ny fampandrosoana! Fa iza no nilaza fa tsy hampandroso mandrakizay na amin’ny 2060 aza no fiankinan-doha amin’ny mpamatsy vola mahazatra no rehefa misy olana dia ny zava-misy iraisam-pirenena no ialana bala lava? Iza no nilaza fa ny tsy vitan’ny mpitondra nifanesy tao anatin’ny 60 taona hovitainy ao anatin’ny 5 taona? Sarotra ny mbola hiaritra sy hiaina 5 taona indray, ka ity 2023 ity no heverina fa kihon-dàlana ara-politika iray lehibe ahafahana manova hikatsahana ny tsara kokoa, fotoana tokony hahaizana mandray lesona mba tsy ho voafitaka indray satria vidian-dafo ny fahadisoana ara-politika ara-tsafidy amin’ny fametrahana izay olona tena mendrika hitondra firenena sy hitondra fivoarana ho an’I Madagasikara miantraika amin’ny fiaian’ny isam-batan’olona. Raha ny lojika ara-politika, efa naman’ny any ivelan’ny fitondrana ny ila-tongotr’i Andry Rajoelina sy ny volomboasary.
Toky R
 

Dans la même rubrique

24-avril-2024

Nampanantsoina teny anivon’ny tendrom-pitsarana misahana ny ady amin’ny kolikoly na ny PAC (Pôle anti-corruption) 67ha,

Card image cap
24-avril-2024

Tsy misy intsony ny Fanjakana tan-dalàna ka mijoro ireo mpahay lalàna sy avara-pianarana sy ny vato

Card image cap
24-avril-2024

Namoaka tatitra ny depiote Rahasimanana Paul Bert na Rossy omaly,

Card image cap
24-avril-2024

Hanomboka ny datin’ny 08 ka hatramin’ny 27 Aprily ho avy izao ny

Card image cap
24-avril-2024

Tao anatin’ny hetsika fotsy aho ary mbola anatin’ny fanoherana, hoy ny kandida ho depiote,

Card image cap
24-avril-2024

Novorian’ny Governora Guy Ramarosandratana ireo staff-n’ny faritra Mangoro sy ny Birao politika TGV-Distrika Ambatondrazaka ny takarivan’ny 19 aprily teo.

Card image cap