airtel

Politique

13-mars-2023

Politique

Nanatitrantitra Ravalomanana “Hamaritra ny ho avin’ny firenena io fifidianana io”

Sample post image

Nidina ifotony tany amin’ny Distrikan’Andramasina ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny faran’ny herinandro teo.

13-mars-2023

Nihaona sy nanome toromarika an’ireo mpikatroka TIM ao amin’io distrika io, izay marihina fa nampandany azy tamin’ny salan’isa ambony 83% tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena farany teo. “Miantso ny Malagasy tsy an-kanavaka mba tsy ho very zo. Taorian’izay dia nifamotoana tamin’ny mpanara-dia azy tetsy amin’ny SK Melody Mandriambero Ambohidratrimo ihany koa I Marc Ravalomanana. Nafana ny fihaonan’ny roa tonta satria tonga maro ireo mpikatroka TIM na tetsy Ambohidratrimo na ny tany Andramasina. Niantso mpanara-dia azy hanam-pinoana ny handresy I Marc Ravalomanana. Miantso ny olom-pirenena hiray hina hampandefitra ny hambom-po, tsy hibanjina afatsy ny ho avin’ny firenena ihany koa. Ilaina, hoy izy, ny fampitoviana fomba fijery fa zava-dehibe loatra ny fifidianana, hamaritana ny ho avin’ny taranaka sy ny firenena iray manontolo. “Zon’ny rehetra ny mifidy olona mendrika ny hitondra azy, ka aza manaiky hoverezin-jo. Mijaly ny vahoaka amin’izao fotoana izao, taom-pifidianana ity taona ity, miverina amin’ny vahoaka ny fahefana ka izay olona tena mendrika azy sy fidiany no tokony hitondra azy. Miantso ny TIM hijoro sy hanana fahasahiana, ary hiray hina. Niantso ny hitandro ny hasin’ny maha olona, ary tsy hanaiky hampitahorina satria tena manjaka izany amin’izao”, hoy I Marc Ravalomanana izay naneho tamin’ireo mpanara-dia azy hoe: Vitantsika izany ary tsy tokony hiroaroa saina ny Malagasy. “Tsy maintsy mitaky ny fiverenan’ny fahefana amin’ny vahoaka raha sanatria misy mibodo an’izany. Efa ela no niandrasana ity taona ity, ny fahavalo iombonantsika dia ny fahavalo mpamotika firenena, ny mpangala-bato, ka aoka tsy ho diso fahavalo. Tanjona iray no iombonana, tanjona iraisan’ny Malagasy 25 tapitrisa dia ny fahafahana ao anatin’izao fahantrana izao. Tompon’andraikitra amin’izany ny antoko sy ny vahoaka, kihon-dàlana ho an’ny firenena ity, ka rehefa tsy vitantsika ny mandray fahefana amin’ity taona ity dia hiampy 5 taona indray ka mbola ho zakantsika ve izany?”, hoy kosa ny Sekretera Jeneralin’ny TIM Rina Randriamasinoro. Ny fanafodiny, rehefa vonona sy tena hiatrika ary miray hina dia vitantsika io, hoy izy, niantso ny mpikatroka TIM hiara-hijoro sy tsy hanan-tahotra, ary tsy ho diso fahavalo, hoy hatrany ny TIM.
Toky R
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
22-mai-2025

Naloto tanteraka ny antenimieram-pirenena eny Tsimbazaza

Card image cap