airtel

Politique

06-nov-2023

Nandatsa-dra ny fitondrana Rajoelina

Mitohy ary tsy maintsy mandresy ny tolona !

Sample post image

Nanao izay faraheriny tamin’ny fampiasana ny mpitandro ny filaminana hanao herim-pamoretana ny mpitondra

06-nov-2023

mitazona ny ambikambim-pahefana navelan’i Andry Rajoelina sy heverina fa mbola mandray baiko avy aminy. Nanjaka ny habibiana ny sabotsy 04 novambra 2023 teo, teo anatrehan’ny tolom-bahoaka izay nifamotoana ho eny amin’ny Kianjan’ny 23 may. Natao tsara ambina ny vavalalana niditra an’Analakely, indrindra fa tamin’ireo toerana telo nifamotoanan’ny vahoaka dia ny tetsy Behoririka, Tsiazotafo, ary Tsaralalana. Nafampana ireo toerana rehetra ireo sy ny maro hafa tahaka ny teny Ambalavao Isotry, Antanimena, Ankadifotsy. Nandeha ny famoretana tamin’ny endriny rehetra toy ny fanapoahana baomba sy grenady mandatsa-dranomaso, ny fandatsahan-drà izay am-polony no naratra, nahatratra 11 ny olona nosamborina, ary nisy aza ny resaka nandeha fa nisy olona voalaza fa namoy ny ainy vokatry ny entona manepotra satria tena niditra hatrany anelakelan-trano sy tanànan’olona. Vahoaka tanam-polo nonanaovana herisetra, tsy misy fanajana zon’olombelona izany intsony, fa nandeha hatramin’ny famafazana vovoka sy akora manepotra sy mahajambena hatramin’ny fanatsifirina « big boss » tamin’ny olona mandeha tsotra. Ny teny ratsy sy ompa varariraka moa tsy ferana intsony. Nisy aza tao anatin’ny fifampiresahana teo amin’ny kandida sy solombavambahoaka ankilany, ary ny mpitandro filaminana andaniny, kanefa ao anatin’izany mihitsy no misy mpitandro filaminana mandrefotra lakrimozenina, tahaka ny niseho teny Antaninandro. Hatramin’ny mpanao gazety aza moa izay manao ny asany no niantefan’ny lakrimozenina ka telo ny naratra raha kely, ary am-polony ny olon-tsotra. Ny fomba fisamborana moa dia tena nahery vaika. Somary mampametra-panontaniana hoe : tena mpitandro ny filaminana avokoa ve sa mitombina ny ahiahy amin’ny mety ho fisiana sivily ampisalorana fanamiana ? Nisy ihany koa ny fahapotehana fananan’olona satria ankoatran’ny fiaran’ny kandida Marc Ravalomanana izay notifirina, dia nisy ihany koa fiaran’olon-tsotra simba teo Behoririka satria niantefan’ny tifitra ka vaky ny fitaratra, tao ny pempo ny vatany, ary isan’ny lasibatra hatramin’ny fiara iray miloko mena izay voalaza fa an’ny Sekretera Jeneraly iray amina minisitera. Tena tsy an-kitsitsy, tsy misy fijerena ny maha olona ny zavatra niseho ny sabotsy teo.

TSY MIHEMOTRA NY TOLONA
Tsy niandry ela fa ny takarivan’ny sabotsy ihany dia efa nisy ny fanambarana nataon’ny Firaisankinan’ny kandida teny amin’ny Le Hintsy Ambohimanambola. Naneho fiondrehana am-panajana manoloana ireo fianakaviana manana ny maty izy ireo. nnirary fahasitranana ho an'ireo maratra rehetra. « Mibaribary izao fa fitondrana mitanila no misy eto satria misy avela manao Carnaval erak'Antananarivo. Misy kosa no sakanana tsy avela haneho hevitra am-pilaminana. Maro be ny tsy fanarahan-dalàna tamin'ny fampiasana ireo mpitandro filaminana satria tsy hoe niaro an'Analakely sy ny manodidina fa nanenjika olona hatrany an'elakelatrano », hoy ny Firaisankinan’ny kandida. « Nanamelonay amin'ny herinay manontolo ny fampiasan-kery tamin'ny vahoaka nataon'ny mpitandro filaminana ampiasaina mpitondra tsy ara-dalàna. Tsy ekena ny fifidianana gaboraraka » hoy izy ireo nanamafy sady naneho fisaorana ny Malagasy rehetra nanohana ny antso ary tonga avy any amin'ny faritra maro manerana ny nosy. Mitohy ny tolona ary tsy maintsy averina apetraka eto Madagasikara ny tany tan-dalàna, hoy ny Firaisankinan’ny kandida, izay nanome toromarika araka ny fampahafantarana efa niparitaka hatry ny omaly, fa mitohy ny « Hetsika Fotsy » eny amin’ny Kianjan’ny 13 may ho an’ny anio 06 novambra, ary tsy maintsy mandresy ny tolona. « Tsy misy Fanjakana maharesy vahoaka izany. Tsy mampihemotra izao fa tsy maintsy mandroso fa dia ho hitantsika eo ny fiafarany », hoy ny loholona iray ny sabotsy teo teny Antaninandro.
Toky R


 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap