airtel

Politique

10-mai-2023

Politique

Nanitrikirika ny Minisitra Lalatiana “Tsy mieritreritra tetezamita izany ny Fitondrana”

Sample post image

Nanitrikitrika ny Minisitry ny serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, fa tsy anatin’ny eritreritry ny Fanjakana ny hanangana tetezamita anatin’ny 6 volana,

10-mai-2023

ary tsy misy lalàna manamarina ny fametrahana izany. « Ny fitondrana sy ny governemanta ankehitriny dia tsy manana eritretreritra ary tsy ao anatin’ny fanomanana resaka tetezamita. Tsy marina ny filazana fa hisy tetezamita hotarihina Filoha teo aloha sy ny filazana fa efa neken’ny Filoha Repoblika sy ny filoha tany aloha ny hanaovana izany tetezamita izany. Fikarakarana fifidianana no ao anatin’ny fandaharam-potoana lehiben’ny governemanta raha amin’ny politika”, hoy io Minisitra io. Naneo fa ny vahoaka no maso-mandidy izay hitondra azy anatin’ny 5 taona, manomboka ny janoary 2023. Na izany aza, efa nisy fotoana nilaza Atoa Paraina Auguste, Ambasadaoro teo aloha ary kandida amin’ny fifidianana Filoha, fa «tsy ny fanoherana no mangataka an’izany tetezamita izany, fa ny Filoha mihitsy no mangataka 2 taona tamin’ny SADC tonga teto fa hoe : mbola tsy vonona ». Tsara ny manamarika fa nisy ny fanambaran’ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina Isabelle Delattre izay nilaza afak’omaly, fa tsy manery ny hisian’ny tetezamita, saingy tsy mametraka olana sy manohana izany raha izay no ifanarahan’ny herivelona rehetra, ka karazan’ny setrin’izany ihany ity nataon’ny Minisitra ity. Mitovy dia ny demokrasia no tanjona, ka ny Fanjakana dia fifidianana no himasoany, raha ny nambarany. Naneho fa ny krizy ankehitriny dia krizy ara-toekarena, mahazo ny firenen-drehetra maneran-tany, ny fidangan’ny vidim-piainana dia tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany. Tsy tokony hafangaro, hoy izy, ny krizy ara-tsosialy sy toekarena sy ny krizy politika hanamarinana ny hoe: hananganana tetezamita. Namaly ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina manoloana ny hoe: tsy mifanaraka amin’ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ny zo politika sy sivily nosoniavin’I Madagasikara ny taona 1971 ny fandrarana ny famoriam-bahoaka ara-politika ankalamanjana. “Ny andininy faha-19 anatin’ny fifanarahana iraisam-pirenena io mikasika ny fetra azo atao dia ny fanajana ny zon’ny hafa, ny fanajana ny filaminam-bahoaka,… Faritan’ny lalàna ny “restriction” na famerana ka ny làlanantsika 60-082 dia mamaritra an’izay, hoy ny valin-kafatr’ity minisitra ity. Mila fahazoan-dàlan’ny governemanta, ary afaka manda. Zon’ny tsirairay ny maneho hevitra fa tsy maintsy manaraka ny lalàna velona, hoy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy.
Toky R

 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,

Card image cap
23-mai-2025

Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry

Card image cap
23-mai-2025

pirenena intsony ny zava-bitan'ny governemanta!»

Card image cap
23-mai-2025

Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.

Card image cap
23-mai-2025

Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra

Card image cap
23-mai-2025

Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby

Card image cap