tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Politique

Nanome toky ny CENI Hatao fitsirihana ny lisi-pifidianana navaozina

Hisy ny fitsirihana ara-kajy mirindra na “audit informatique” ny antontan’isa nanaovana ny fanavaozana ny lisi-pifidianana iarahana amin’ny OIF na ny Vaomieran’ny tany miteny Frantsay,

15-mars-2023

Sample post image

araka ny nambaran’ny Filohan’ny CENI na Vaomieram-pirenena misahana ny fifidianana Atoa Dama Andrianarisedo omaly, nandritra ny fidinana ifotony tetsy Ambohimanarina nanaovana fanentanana ny olona hisoratra anarana anaty lisi-pifidianana. Mba hisian’ny fifampatokisana no nambara fa antony satria ny fanontaniana mipetraka dia hoe: azo antoka ve io lisitra io? Manomboka ny 20 martsa ny OIF no ho tonga eto, ka ho fantatra mialohan’ny 23 martsa ny vokatry ny fitsirihana, raha ny fanazavan’ny Filohan’ny CENI hatrany. Nilaza ihany koa ny CENI fa hisy ny dinika sy fifanakalozan-kevitra iarahany amin’ny mpisehatra ara-pifidianana, handraisan’ny firaisamonim-pirenena, ny mpanao politika, ireo avy amin’ny haino vaky jery ary ireo vondrona sy rafi-piarahamonina samihafa anjara. Mba hananana zotram-pifidianana azo antoka sy mangarahara no nambara fa tanjona. Hatao eto Antananarivo ny 24 martsa 2023 izao izany, ka iantsoan’ny CENI ireo mpisehatra rehetra amin’ny fifidianana, handray anjara amin’ny dinika hifanakalozan-kevitra. Raha nanontanian’ny mpanao gazety mikasika ny ahiahy amin’ny tetibolan’ny fifidianana eo anatrehan’ny filazan’ny Vondrona Eoropeanina fa tsy mbola nisy ny fangatahana nataon’ny governemanta,… dia nilaza ny Filohan’ny CENI fa tsy misy manampanahy ny ara-bola. Efa miroso tsara, hoy izy, ny fifampidinihana eo amin’ny CENI sy ny governemanta amin’ny lafiny tetibola, ka tsy misy mampanahy ny mikasika izay. Momba ny raharaha politika eo anatrehan’ny efa endrika propagandy, anjaran’ny rehetra no mahita hoe: efa misy propagandy ve amin’izao sa tsia ka izany indrindra no isan’ny ilàna fifanakalozan-kevitra, hoy ny Filohan’ny CENI. Mahakasika ny lisi-pifidianana, 13 tapitrisa ny tanjona, 10 tapitrisa mahery eo izy amin’izao, ka andrasana na ho tratra na tsia, fa mbola manana hatramin’ny 31 ma ny olom-pirenena hisoratana anarana. Isan’ny olana ny fahadisoan-kevitra hoe: efa tao anaty lisitra teo aloha, kanefa tsy manan-kery intsony iny, fa tsy maintsy manao fisoratana anarana vaovao, hoy hatrany ny CENI.
Legende : Atoa Dama Andrianarisedo, filohan’ny vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI
Toky R
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Manoro Régis - UNDD «Matahotra mafy dia mafy korontana izahay»
02-juin-2023

Manaraka ny zava-misy ny antoko politika UNDD, hoy ny filohany, Dr Manoro Régis. Hitanay ny mahazo ny vahoaka, hoy izy.

Card image cap
5 volana mialohan’ny fifidianana Miha mangotraka ny tontolo politika
02-juin-2023

Mihazakazaka ny toe-draharaha politika, ary hita ho miha mangotraka amin’izao 5 volana mialohan’ny fifidianana izao. Mandeha ny adihevitra samihafa toy ny firesahana sy adihevitra ambony latabatra hametrahhana ny fitsipi-pitondran-tena,

Card image cap
Etazonia Manohana ara-toekarena, miandrandra fifidianana madio
02-juin-2023

Nankalazaina omaly 01 jona 2023 ny fankalazana ny faha-247 taonana nanambarana ny fahaleovantenan’i Etazonia

Card image cap
Antoko politika Matsilo «Na ny fitondrana aza mahita fa tsy amin’ny izy ny fitantanany»
02-juin-2023

Madagasikara an’ny malagasy no fantatray, hoy ny antoko politika Matsilo. Na ny fitondrana ankehitriny aza, hoy ny filohan’izy ireo, Joseph Yoland,

Card image cap
Jerry Rakotoarijaona «Samy hafa ny fihetsiketseham-bahoaka sy tolom-bahoaka»
02-juin-2023

Sarotra raha amin’izao ny hahatarika olona hidina an-dalambe, hoy ny mpamakafaka raharaham-pirenena, Jerry Rakotoarijaona.

Card image cap
Antoko politika Natiora «Lojika raha tsy misy fitoniana politika eto»
02-juin-2023

Lalaovin’ireo mpamatsy vola mahazatra isika, hoy ny antoko politika Natiora. Averiko ihany, hoy ny filohan’izy ireo, Mihari-Ni-Rencho,

Voir plus