ao anatin’ny tolona mandeha amin’izao. Nanambara fa vonona amin’izany ny tenany, izay tsiahivina fa izy no nitarika tamin’ny raharaha 07 febroary. Nahitsy I Monja Roindefo nilaza fa efa tsy tolon’ny Firaisankinan’ny kandida irery intsony izao fa efa tolon’ny vahoaka Malagasy iray manontolo manerana ny Nosy. Efa tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny zava-misy, dia ny fandikan-dalàna efa zary lasa iainana, lasa very saina mbola velona tahaka ny valala voatango ny vahoaka Malagasy satria ny hitsikitsika natao hivavahana no lasa papango mipaoka no zanak’akoho. Ny safidin’ny Malagasy mihitsy no tiana hozimbazimbaina sy tiana tsy homena hasina, ka tsy azo ekena izany, hoy io Praiminisitra tamin’ny tetezamita io. Izy izay naneho ihany koa izay naneho, fa efa vita kajy ny hala-bato, raha ny zavatra hitany any Atsimon’ny Nosy. Mihoatra ny zava-misy noho ny tamin’ny 2009 ny zava-misy ankehitriny, ka iaraha-mitady ny vahaolana, hoy izy, izay nanamafy fa diso fanantenana satria vao mainka ny zava-doza ny mahazo ny firenena, ka tsy azo ekena intsony izao. Teo imasony rahateo no nilazan’I Marc Ravalomanana hoe: “raha ohatra ka natao anatra tsara ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009, dia tsy ohatran’izao I Madagasikara. Alaivo sary an-tsaina fa I Madagasikara ny voalohany tamin’ny 2008. I Madagasikara no voalohany tamin’ny toekarena, tamin’ny fanovana, ka aiza no misy antsika amin’izao isika miresaka izao? Izay no mahatonga ahy miteny hoe: mahaiza mitadidy”, ka nilazany fa tsy andrakandrana ny fitondrana firenena, fa tena mila fitiavana, ary tsy handany andro amin’io izy ireo fa tena ho an’ny vahoaka ny tolona. “Marina tokoa izany, fa tamin’ny taona 2009, dia tsy fantatro ny fomba fiteny azy teo, fa dia nitsangana izahay nanohitra ny fitondram-panjakana tamin’izany fotoana izany satria noheverinay fa betsaka ny zavatra tsy mety teto amin’ny firenena. Malahelo anefa izahay, malahelo ny tenako milaza amintsika, tsy fantatro na mihoatra firy avo heny tamin’ny zavatra tsy mety talohan’ny 2009 no tsy misy ankehitriny. Ny lakile iarahantsika mitady, mety misy ampahany ihany aty amiko”, hoy I Monja Roindefo. Andrasana izany ny sary politika hiseho amin’ity herinandro ity satria na tiana na tsy tiana, dia isan’ireo mahalala zavatra mikasika ny raharaham-pirenena ity Praiminisitra tamin’ny tetezamita ity.
Toky R
Mbola vao volana mey isika izao, saingy zava-doza ny fahatapatapahan'ny herinaratra,
Miteraka resabe amin’izao fotoana izao ny raharaha mikasika ny ben’ny tanànan’i Talata Volonondry
Misy zavatra hafahafa ihany amin’ny toe-draharaha politika eto amin’ny firenena tato ho ato izay.
Mitohy ny fihetsika hafahafa ataon'ny Filoham-pirenena izay tsapa sy tsikaritra
Nambara fa maro ny zavatra vita ao Nosy Be fa hapetraka ihany koa ny fanamby